• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Isika
Image
Vaovao

Sehatra nomerika « Isika » : Manamora ny fifaneraseran’ny mpanapa-kevitra sy ny olom-pirenena

22/01/2024 10:42 © Moov.Mg

Mandray anjara amin’ny fifaninana « Innov 4 Democracy » ho an’ireo firenena aty Afrika ny sehatra nomerika « Isika ». Izy ihany no solontena malagasy mandray anjara amin’izany tao anatin’ireo 26 nifaninana. Mbola afaka mifidy, mba hanosika azy hiakatra ambony ao anatin’ny fifaninana, ny olom-pirenena rehetra.

Fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena

Sehatra nomerika, manana tanjona ny hampadraisana anjara ny olona rehetra amin'ny fiainam-pirenena eto Madagasikara ny « Isika », novolavolain’ny fikambanana « Isika ». Fitaovana iray ampiasana ny aterineto, mba hampitan’ny olom-pirenena ny heviny sy ny zavatra hitany eny anivon’ny fiarahamonina izy ity. Antony namoronana azy ny mba hahafahan’ny rehetra mifanakalo hevitra, ho fanatsarana ny fitantanana sy ny fampandrosoana ifotony. Misy manoso-kevitra izao ao, mba hametrahana fitaovana handrindrana ny fifamoivoizana eny Soavimasoandro Antananarivo. Ao koa ny miangavy mba hametrahana fanariam-pako ao Mahavoky Atsimo Mahajanga… Azo lazaina ho manamora ny fifaneraserana eo amin’ny olom-pirenena sy ny mpitondra ny « Isika », satria afaka mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina mivantana ireo mpanapa-kevitra, rehefa mahalala ny zava-misy ampitain’ny olom-pirenena ao. Tamin’ny taona 2022 no efa noforonina ity sehatra nomerika ity.

Voafantina hifaninana

Voafantina ho isan’ireo 10 mifaninana ao anatin’ny « Innov 4 Democracy », karakarain’ny fikambanana tsy miankina AfricTivistes, ao anatin’ny tetikasa « Charter Project Africa », ny sehatra nomerika « Isika ». Tanjon’ity fifaninana ity ny hampahafantatra sy hanentana ny mponina aty Afrika, momba ny Satan'i Afrika ho an'ny Demokrasia, ny Fifidianana ary ny Fanjakana tsara Tantana (CADEG). Eo koa ny famporisihana ny firaisamonim-pirenena, ny tanora mivondrona anaty fikambanana, ny mpikirakira aterineto sy tambajotram-pifandraisana, ny mpiasan’ny haino aman-jery sy ny olom-pirenena rehetra mba handray andraikitra mivantana amin’ny fiainam-pirenena. Tafiditra tanteraka ao anatin’izany tanjona izany ny sehatra nomerika « Isika ». Hatramin’ny 2 febroary dia mbola azo atao ny mifidy ato amin’ny rohy https://innovdemocracy.africtivistes.com/vote/isika, raha te hanohana ny « Isika » mba ho isan’ireo 5 mpandresin’ity fifaninana ity. Hisitraka 5.000 euros avy amin’ny ONG AfricTivistes ireo mpandresy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires