• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 15 hatramin'ny 21 janoary 2024

22/01/2024 09:28 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nalaza teto Madagasikara ny herinandro lasa teo, dia ny 15 hatramin'ny 21 janoary 2024.

Governemanta sy Fiadidiana ny Repoblika

Ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Augustin Andriamananoro, sy ny minisitry ny fampianarana teknika, Lalatiana Rakotondrazafy, no mpitondra tenin'ny Governemanta (porte-paroles). Nomarihan'ireo mpanara-baovao izany tamin'ny famakiana ny tatitry ny filankevitry ny minisitra voalohany.
Na dia nandrasan'ny maro mafy aza, mbola tsy nivoaka ny didy mikasika ny fanendrena ireo sekreteram-panjakana. Nambaran'ny filoha Andry Rajoelina moa fa ireo CV izay voaray tamin'ny filatsahana ho minisitra ihany no nanatitra ny "dossiers de candidature".

Ministera isan-tokony # Famindram-pahefana

Raha tsiahivina dia ny alahady 14 janoary lasa teo ny nanendrena ireo mpikambana vaovao ao amin'ny Governemanta. Ny alatsinainy 15 janoary dia efa nanomboka ny famindram-pitantanana rehetra. Nanomboka izany ny teo anivon'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Nifandray tanana sy nifampirary soa ny minisitra teo aloha, Vina Marie-Orléa, sy ny minisitra vaovao, Max Fontaine. Nanentana ny rehetra ity farany mba hifanome tanana amin'ny fampandrosoana ny firenena. Saika nahavita ny famindram-pahefana avokoa ireo ministera izay nahazo minisitra vaovao.

Ministeran'ny mponina # Nanomboka ny asa sosialy 2024

Nisantatra sahady ny asa fampandrosoana ny Ministeran'ny mponina. Taorian'ny fandraisan'ny minisitra vaovao, Elisette Fomendraza, ny fahefana, ny talata 16 janoary lasa teo, nanainga tongotra namangy ireo olona sahirana ara-pivelomana miisa 450 teto Antananarivo ny tenany. Nahazo bodofotsy, seau, zinga, fehezan-karona misy vary sy menaka ary ronono ireo fianakaviana marefo teny Isotry sy Nosibe Zaivola ary Ambodiady. Ny teny Manjakaray kosa dia ireo tokantrano mitaiza sembana no tena nahazo tombony. Nisy mihitsy ireo notolorana "fauteil roulant". Ny faran'ny herinandro teo dia teny amin'ny Antohomadinika Antsahalova sy Andavamamba Anjezika II no nandalo ny ekipan'ny Ministeran'ny mponina, nizara fanampiana hatrany.

Ministeran'ny Fanofanana arak'asa # Hanolotra fiofanana maimaimpoana

Tsy diso anjara tamin'ny fanombohana ny taom-piasana 2024 ihany koa ny Ministeran'ny Fanofanana arak'asa. Misy àry ny fampiofanana mikasika ny "Gestion relations clients en appels entrants et sortants (Call center)", izay ho tanterahina ny zoma 26 janoary ho avy izao. 200 no isan'ny mpiofana ho raisina ka efa azo atao tsara ny misoratra anarana amin'ny mailaka « fpcallcenter.metfp@gmail.com », hatramin’ny Alarobia 24 Janoary 2024 izao. Ho an'ireo 18 taona no mihoatra izany fampiofanana izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny 16 janoary lasa teo no tanteraka ny fampindram-pitantanana teo amin'ny minisitra teo aloha, Gabriella Vavitsara, sy ny minisitra vaovao, Lalatiana Rakotondrazafy.

Arivonimamo # Tetikasa Ankohonana Miarina

Anisan'ny andry telo iankinan'ny fe-potoam-piasana faharoan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny fitsinjovana bebe kokoa ny maha-olona sy ny sosialim-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo ankohonana marefo amin'ny alalan'ny tetikasa "Ankohonana Miarina". Ity tetikasa ity dia hanampy ireo ankohonana tena vonona hiarina amin'ny fiainana, hahaleo tena amin'ny alalan'ny fanomezana tany hambolena sy fiofanana samihafa. Efa manomboka ny asa fanajariana ny tany sy fananganana ireo fotodrafitrasa fototra ilain'ireo mpisitraka ity tetikasa goavana ity, izay hatomboka ao Fieferamanga sy ao Tsimahabeomby II, distrikan'Arivonimamo.
Trano fonenana, biby fiompy sy velaran-tany 624m² hatramin’ny 2000m² no omena isaky ny fianakaviana isitraka ny tetikasa.

Fiakaran'ny rano # Lasibatra ireo faritra iva

Nitombo ny rotsak'orana nandritra iny herinandro iny. Maro tokoa ireo faritra iva no dibo-drano eto an-drenivohitra, indrindra ny eny Andavamamba, Ampefiloha, Ilanivato, Andravoahangy sy Besarety. Misy ireo fianakaviana no milona rano 24ora amin'ny 24 noho ny rano tsy mety ritra. Noho ny fahatsentsenan'ireo lakandrano no tena mahatonga izany fiakaran'ny rano haingana izany. Mila miandry maherin'ny 24 ora matetika vao ritra ny rano, raha maina ny andro aorian'ny orambe. Efa mandray ny andraikitra tandrify azy ny APIPA hanamaivanana ny fahasahiranan'ireo mponina. Nandray ny andraikiny ihany koa ny BNGRC ka nanadio toerana miisa 7 teto Antananarivo. Tsy vitsy ny olon-tsotra izay mandray antanana ny fanadiovana ny manodidina, indrindra amin'ny fanalana ireo fako manentsina ireo lalandrano.

Fananantany Avaradrano # Ady amin'ny kolikoly

Nahoraka tao ho ao ilay raharaha fanodinana sy fangalarana tany tao Isahafa, kaominina Sabotsy Namehana, Distrikan’Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Izany indrindra no nandraisan'ireo tompon'andraikitra fanapahan-kevitra matotra, hanamafisana ny ady amin'ny kolikoly. Manomboka izao ihany koa dia hatao peta-drindrina avokoa, isaky ny alatsinainy voalohan’ny herinandro, ny antontan-taratasy rehetra miala ao amin’ny sampan-draharaha Avaradrano sy izay efa vita rehetra. Izay tsy nahita ny peta-drindrina dia afaka manaraka izany ao amin’ireo birao telo misy ao an-toerana.

Vidim-bary : Marin-toerana tsara

Tsy nisy fiovana fa marin-toerana tsara ny vidim-bary tao anatin’ny roa volana teo ho eo izay, raha ny tatitra nataon’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Raha ny teny amin'ny tsenan'Andoharanofotsy sy Ankadindratombo, manomboka eo amin’ny 2400Ar hatramin’ny 3000Ar ny kilaon’ny vary. "Ankoatra ny fitsirihana dia hanentana ny mpivarotra rehetra ihany koa izahay, amin’ny fanajana ny lalàna ara-barotra, mba hifehezana ny vidin’entana”, hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra, Isidore Razanakoto, izay nitarika ekipan'ny Minisitera nidina ifotony.

Ken # Niala ny tarika Mage 4

Tapitra hatreo ny "solo" niavaka izay nahafantarana an'i Ken tao amin'ny tarika Mage 4. Nisafidy ny hihira gadona hafa mantsy ny tenany manomboka eto. Ny taona 2005 izy no niditra tao anatin’ny tarika Mage 4, fa efa talohan’izany kosa izy no nilona tao anatin’ny mozika. Nianatra nitendry « piano » izy tany amin’ny fahazazany ary vao 14 taona monja, tany amin’ny taona 1999, dia efa namorona ny tarika azy manokana.
Hisy ny "casting" ho tanterahin'ny tarika Mage 4, mba hahitana izay talenta vaovao hisolo an'i Ken.

Lire la suite

Articles Similaires