• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

« Ankohonana Miarina » : Tokantrano 1.000.000 isa no ho esorina ao anatin’ny fahantrana

21/01/2024 15:56 © Moov.Mg

Nitsidika ireo toerana roa hanatanterahana ny tetikasa « Ankohonana Miarina » ny filoha Andry Rajoelina, omaly sabotsy 20 janoary 2020. Ity tetikasa ity moa dia tafiditra ao anatin’ilay andry voalohany nambarany fa iankinan’ny fampandrosoana, izay hotanterahin’ny Fitondram-panjakana ao anatin’ity fotoam-piasany faharoa ity.

Teknika « Pfumvudza »

Any Fieferamanga, Distrikan’Arivonimamo, no misy ny toerana voalohany, izay mivelatra amina velaran-tany 53ha ary any Tsimahabeomby II Imerintsiatosika ny faharoa, izay manana velarana 400 Ha. Tanjon’ny tetikasa « Ankohonana ny Miarina » ny hanala tokantrano 1.000.000 isa ao anatin’ny fahantrana, ao anatin’ny 5 taona. Samy hisitraka trano fonenana sahaza sy velaran-tany 624m2 hatramin’ny 2 000m2 ny isan-tokantrano. Homena fiofanana momba ny fambolena sy ny fitantanam-bola ihany koa izy ireo, amin’ny alalan’ilay teknika antsoina hoe : « Pfumvudza », izay efa nahitam-bokatra tsara tany amin’ireo firenena afikanina sasany, toa an’i Rwanda, Zimbabwe sy Afrika Atsimo. Tanjon’ity teknika ity ny hamokarana betsaka sy maharitra no sady miaro ny tany tsy ho simba. Hisy ny koperativan’ny tantsaha hatsangana ao anatin’izany, ka ny vokatra tsy lany dia hovidian’ny Fanjakana, na horaisin’ny ozinina izay hatsangana any an-toerana, araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina.

Efa manomboka ny fiofanana

Ny tetikasa mahakasika an’i Fieferamanga no efa miainga amin’izao fotoana izao, araka ny fantatra. Efa misy tokantrano an-jatony ankehitriny no miatrika fanofanana, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Manam-pahaizana manokana avy any amin’ireo firenena afrikanina efa manana traikefa amin’ny teknika « Pfumvudza », no isan’ny nafarana hanome fiofanana ireo mpisitraka ny tetikasa, ka hiompana amin’ny fambolena, fiompiana ary fitantanam-bola izany. Ny 20 Ha amin’ilay velaran-tany 53 ha hanatanterahana ny tetikasa ao Fieferamanga no hametrahana ireo toeram-ponenana. Hisy biraon’ny zandarimaria, sekoly ambaratonga fototra sy faharoa ary lisea ihany koa haorina ao an-toerana, ankoatra ny hôpitaly, ny tsena ary ny kianja fanaovana fanatanjahantena, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara. Ho hita ao ihany koa ny faritra natokana ho an’ny indostria, izay hivelatra amin’ny velaran-tany 14ha.

Kaominina Miarina

Any Tsimahabeomby II, Fokontany Manolobony, kaominina ambanivohitra Ambohimandry, Distrikan’Arivonimamo kosa no misy ilay toerana iray hafa, hanatanterahana ny tetikasa « Ankohonana Miarina ». Fa araka ny toromariky ny filoham-pirenena, dia hovaina ho kaominin’i Miarina ny anarany. Tokantrano 3.000 isa no hisitraka ny tetikasa ao an-toerana. Hisy fanamboarana hotanterahina amin’ireo lalana rehetra mihazo ity toerana ity, ary hampifandraisina avy hatrany amin’ny tetikasa Tanamasoandro ao Imerintsiatosika izy. Tahaka ny ao Fieferamanga ihany, hisitraka trano sahaza ireo fianakaviana hafindra toerana any ary notsipihin’ny fampitam-baovao manokana ny hametrahana fotodrafitrasana rano fisotro madio ao an-toerana.

Hatreto moa, ny dingana efa irosoana ao anatin’ity tetikasa Ankohonana Miarina ity dia ny fisafidianana ireo fianakaviana ho afaka hisitraka azy. Efa napetraka ny komity hanao ny fifantenana, ahitana ny solontenana’ny kaominina, ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina, ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika.

Lire la suite

Articles Similaires