• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fotoam-pahavaratra : Mety hisy rivo-doza hiforona indray amin’ity faran’ny herinandro ity

19/01/2024 15:47 © Moov.Mg

Efa nivoaka any an-dranomasina ilay tangoron-drahona izay niteraka rotsak’orana teto Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Ahiana kosa anefa ny fiforonan’ny andro ratsy, manomboka amin’ny alahady ho avy izao, hoy ny mpamantatra ny toetry ny andro.

Mbola ho betsaka ny rotsak’orana

Tany amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara, omaly tolakandro, no nivoahan’ilay tangoron-drahona izay niteraka rotsak’orana teto Madagasikara, rehefa avy namakivaky ny tapany avaratry ny Nosy : DIANA, SAVA, ary Boeny. Mbola miteraka rotsak’orana any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy izy ity ankehitriny, satria mbola manakaiky ny morontsirak’i Toamasina ny ivony. Araka izany, mitohy ny orana entiny ho an’ny distrikan’i Toamasina I sy II, Mahanoro, ary any amin’ny manodidina an’i Vatomandry. Ho an’ny tapany avaratr’i Madagasikara, mahazo vahana ny talio, izay mitondra rotsak’orana ihany koa. Mbola manan-kery, noho izany, ireo fampitandremana momba ny fahabetsahan’ny rotsak’orana : mena, ho an’ny faritra Atsinanana ary mavo, ho an’i DIANA. Ho an’ny Faritra sisa kosa dia efa hiverina ho maimaina ny andro, na dia mbola mety hisy ihany aza ny oram-baratra amin’ny takariva, toy ny eto afovoan-tany.

Any akaikin’i La Réunion

Etsy an-daniny, tombanana hisy rivo-doza hiforona amin’ny alahady izao, na amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io, any amin’ny tapany avaratra atsinanan’i La Réunion. Mety ho antonony na ambony ny erijika hiforonan’izany, hoy ny mpamantatra ny toetry ny andro. Raha ny vinavina aloha, hatreto, dia tsy ahiana hahakasika an’i Madagasikara ity andro ratsy ity, satria mbola mitoetra ao atsimo atsinanan’ny nosy rahavavy ny sisan-drahona nalevan’ilay rivo-doza Bilal. Manakana ny lalan’ity rivo-doza ity tsy hanakaiky ny nosintsika izany. Na izany aza, tafiditra ao anatin’ny fari-dranomasina iadidian’ny Meteo Madagasikara ny faritra heverina fa hiforonany, ka manao fampilazana ihany ity sampan-draharaha ity.

Lire la suite

Articles Similaires