• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mage 4
Image
Vaovao

Mage 4 : Nanapa-kevitra ny hiala ao anatin’ny tarika i Ken

19/01/2024 14:11 © Moov.Mg

Nanapa-kevitra ny hiala ao amin’ny Mage 4 i Ken, rehefa nilona tao anatin’izany tarika izany nandritra ny 20 taona latsaka kely. Manana ny tetik’asany manokana izy, izay no anton’izao fanapahan-kevitra izao, raha ny filazana nataon’ny tarika.

Tsy nisy disadisa

Andrianaharinjato Maminiaina Thierry no tena anarany, fa « Ken », izay teny japoney midika hoe : « Aina », no anaran-tsehatra nentiny. Ny taona 2005 izy no niditra tao anatin’ny tarika Mage 4, fa efa talohan’izany kosa izy no nilona tao anatin’ny mozika. Nianatra nitendry « piano » izy tany amin’ny fahazazany ary vao 14 taona monja, tany amin’ny taona 1999, dia efa namorona ny tarika azy manokana. Nanandratra avo ny tarika Mage 4 i Ken, nitondra tsio-drivotra hafa mihitsy, noho ilay feony miavaka sy manana tanjaka mampiaky ny rehetra. Tsy sanatria akory disadisa no anton’izao fialan’i Ken ao anatin’ny tarika izao, araka ny fanambarana an-tsarimihetsika niarahan’izy ireo nanao. Nanome tsodrano an-kitsim-po ho azy rahateo ireo rahalahiny tao anatin’ny tarika, mba hahatontosany ny fikasany.

Kihon-dalana vaovao

Tsy hitsahatra amin’ny fanaovana mozika akory i Ken, raha miala amin’ny tarika, fa hisy fiovany kosa ny gadona hataony, araka ny nambarany. Tsy mbola namoaka ny antsipirihany momba izany moa izy, fa tsy maintsy hisy vaovao hampiaina foana momba izany, hoy izy. Ny tarika Mage 4 ihany koa dia mbola hanohy hatrany. Efa napetraka ho rafitra iray manontolo (institution) ny tarika, hoy izy ireo, ka hisy foana ireo manan-talenta hifandimby handrafitra azy. Atsy ho atsy, araka izany, dia hisy ny fifantenana lehibe (grand casting) hijerena izay handimby an’i Ken eo amin’ny lafiny fihirana. « Tonga amin’ny kihon-dalana vaovao izahay ary mino fa hiaraka hamakivaky ity pejy ity isika, satria ianareo no herinay », hoy ny hafatr’ireo mpikamban’ny tarika, miantefa amin’ireo mpankafy.

Lire la suite

Articles Similaires