• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Deba
Image
Vaovao

Razanapaly Tojo : manana fahasembanana, 10 taona izao ny orinasa natsangany

19/01/2024 10:12 © Moov.Mg

Tsy sakana ho an’ny fandraharaharana ny fananana fahasembanana. Vavolombelon’izany Razanapaly Tojo Anjaranirina. Manana fahasembanana ara-batana hatrany am-pahaterahana izy, saingy efa 10 taona izao no nitantanany orinasa mpanamboatra « yaourt maison ». Hanamarika izany tsingerin-taona faha-10 izany izy, ny 27 janoary ho avy izao.

Nandalo sedra maro

Tsy nanana olana manokana Razanapaly Haingonirina, renin-dRazanapaly Tojo Anjaranirina, tamin’ny fotoana nitondrany vohoka, araka ny fitantarany. Saro-piterahana anefa izy, ka nanomboka teo no nanjary nitondra takaitra ara-batana ity zanany lahy ity. Mafy ny sedra natrehiny, na momba ny fitsaboana, na ny fitaizana, na ny fitadiavana ivon-toerana hanabe ity menaky ny ainy ary na dia teo anatrehan’ny fiarahamonina aza. Ny fiankinana tamin’Andriamanitra no nahazoany hery lehibe nentiny niatrika ireo fotoan-tsarotra rehetra nolalovany, hoy Razanapaly Haingonirina. Nivaly ireo vavaka nataony satria, na eo aza ny fahasembanan’ity tovolahy ity, dia nihoitra tamin’ny fiainana hatrany izy, ary afaka mirehareha ny reniny.

Tsy kivin’ny sedram-piainana

Nisafidy ny handraharaha eo amin’ny sehatry ny fanamboarana « yaourt » Razanapaly Tojo. Nosafidiany izany, satria tsy mananosarotra azy loatra, manoloana ny fahasembanany, araka ny fitantarany. Tsy nizotra tsara foana anefa ny asa, fa nisy ihany koa ireo olana niseho, tao anatin’izay 10 taona izay, toy ny tsy fahitana mpanjifa hividy, ny fahasimban’ny ronono, na koa ny fivadihan’ny « yaourt » efa vita. Fa tsy nataon’i Tojo nahakivy azy kosa anefa ny sedram-piainana. Mahavokatra « yaourt » 200 isa isan-kerinandro eo ho eo ny orinasa keliny amin’izao fotoana izao. « Nataon’olona tsinontsinona aho, hoy izy, saingy tsy kivy. Rehefa atao ambony foana ny saina, dia tanteraka daholo izay atao rehetra ».

Mendrika fanohanana

Ho fanamarihana ny tsingerin-taona faha-10 nijoroan’ny orinasany, dia mikarakara fampisehoana evanjelika i Tojo, miaraka amin’ny Antoko mpihira Ambohijatovo Fitiavana. Eny amin’ny New Para eny Ivato no hanatanterahana ny hetsika, ny sabotsy 27 janoary izao, manomboka amin'ny 9h30 maraina. Tsy hisy ny vidim-pidirana, fa hisy rakitra hotatazana kosa. Ho fanohanana ny asa ataon-dRazanapaly Tojo Anjaranirina, hanitarany ny ambaindain’izany, ny vola ho voaangona amin’io fotoana io. Mendrika fanohanana ny olona manana fikirizana tahaka izao, hoy ireo rehetra mahafantatra ny tantaran’i Tojo. Izao rahateo no porofo fa manana ny anjara toerany amin’ny fampandrosoana daholo ny olona rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires