• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Ministera misahana ny varotra : Marin-toerana ny vidim-bary tao anatin’ny roa volana

17/01/2024 17:07 © Moov.Mg

Tsy nisy fiovana fa marin-toerana tsara ny vidim-bary tao anatin’ny roa volana teo ho eo izay, raha ny tatitra nataon’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, taorian’ny fidinana ifotony notanterahin’ireo tomponandraikitra ao aminy androany tontolo andro.

Maro azo isafidianana

Nandeha nidina nitsirika ny vidin’entana teny an-tsenan'Andoharanofotsy sy Ankadindratombo androany ireo kaomisera sy mpanara-maso ny Varotra sy ny Fifaninanana. Hita tamin’izany fa manomboka eo amin’ny 2400Ar hatramin’ny 3000Ar ny kilaon’ny vary. Marin-toerana izany vidim-bary izany, nandritra ny roa volana mahery izay, hoy ny tomponandraikitra. Maro karazana rahateo ny hita eny an-tsena, ka manana isafidianana ny mpanjifa. Noezahan’ity ministera ity ihany koa, araka ny nambaran’ny tatitra, ny hitsinjo ireo tantsaha malagasy, ka afaka mifaninana tsara amin’ny vidin’ny vary nafarana avy any ivelany ny vidin’ny vary vokarina eto an-toerana ankehitriny.

Fanajana ny lalàna ara-barotra

Fanombohana ihany ity androany ity, fa ao anatin’izao vaim-potoanan’ny maitso ahitra izao dia hidina isan'andro eny an-tsena, hitsirika ny vidin'entana, ireo mpanara-maso avy amin'ny Minisiteran'ny Varotra ary atao ho laharam-pahamehana mihitsy izany, hoy ny tomponandraikitra. Jerena akaiky amin’izany ny fanajan’ireo mpandraharaha ara-barotra rehetra isan’ambaratongany ny lalànan’ny varotra, toy ny fananan’izy ireo ny taratasy ara-barotra manaporofo ny nihavian’ny vary, ny fametrahana ny vidin’entana mazava tsara, ny fanarahana ny fenitra eo amin’ny fitehirizana ny entana… "Ankoatra ny fitsirihana dia hanentana ny mpivarotra rehetra ihany koa izahay, amin’ny fanajana ny lalàna ara-barotra, mba hifehezana ny vidin’entana”, hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra, Isidore Razanakoto, izay nitarika ekipan'ny Minisitera nidina ifotony.

Lire la suite

Articles Similaires