• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lemana Elysée
Image
Vaovao

Belon’i Tsiribihina : Tsy mitsahatra ny fakana an-keriny, miala ny tanàna ny mponina

17/01/2024 14:03 © Moov.Mg

Tsy milamina ny tany, any amin’ny Distrikan’i Belon’i Tsiribihina, noho ny fisesisesin’ny fakana an-keriny. Manomboka mitsoa-ponenana ireo mponina any an-toerana, vokatr’izany. Miezaka mitady ny fomba ifampiraharahana amin’ireo dahalo ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny.

Miezaka mifampiraharaha

Mpirahavavy indray no fantatra fa nisy naka an-keriny tao Tsimaloto, Kaominina Berevo, Distrikan’i Belon’i Tsiribihina, Faritra Menabe, omaly alin’ny talata hifoha androany alarobia. Mbola eny am-pela-tanan’ny dahalo anefa ireo mianadahy nisy naka an-keriny tamin’ny sabotsy nifoha alahady lasa teo, tao Antsiraraky. Araka ny fampitam-baovao dia niezaka nanara-dia ny fianakaviana sy ny fokonolona, saingy nitifitra ireo dahalo, ka namoy ainy tamin'izany ny anadahin'izy roa vavy. Mihorohoro ireo mponina any an-toerana, vokatr’izao tranga izao. Satria mitaky vola hatrany ireo olon-dratsy, ho tambin’ny famotsorana ireo olona alain’izy ireo an-keriny. Miezaka ny mifampiraharaha ireo fianakaviana ary miezaka miditra an-tsehatra ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Voalazan’ny havan’ireo olona nangalarin’ny dahalo anefa, fa tonga any amin’ireo olon-dratsy hatrany ny fampitam-baovao, hany ka lasa mifindra toerana ireto farany, na vonoiny mihitsy ireo olona nalainy an-keriny.

Mitady vola

Araka izany, aleon’ny fianakaviana mitady vola, ho vidin’ny ain’ireo havany nalaina an-keriny. 6.000.000 Ar izao no takian’ireo dahalo, ho tambin’ny famotsorana ireo mpianatra mianadahy, izay nalain’izy ireo an-keriny tao Antsiraraky, ny sabotsy alina 13 janoary hifoha ny alahady 14 janoary lasa teo. Araka ny fantatra dia mbola miezaka mitady izany vola izany ireo fianakaviana ankehitriny. Fepetra noraisin’ny tomponanraikitra any an-toerana kosa, hatreto, ny fampitsaharana ny fampianarana, satria na ny mpampianatra aza dia efa norahonan’ireo dahalo halaina an-keriny ihany koa. Fantatra fa efa maro amin’izao fotoana izao ireo miaramila avy any Morondava no nalefa hampandry tany any Belon’i Tsiribihina. Etsy an-daniny koa anefa, efa misy ireo mponina any an-toerana no manomboka miala ny tanàna, noho ny tahotra ity fakana an-keriny ity.

Lire la suite

Articles Similaires