• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn
Image
Vaovao

RN2 - Ambohimangakely : Mpitondra moto mamo maty tsy tra-drano

04/09/2023 06:26 © Moov.Mg

Tovolahy iray 23 taona nitondra moto JOG Pro 90 iray no maty tsy tra-drano raha nandona camion vokatry ny fandehanana mafy, fandraisana zavapisotro misy alikola, omaly alahady.

Tsy miaraka ny fisotroana alikaola sy ny familiana. Camiom mandeha milamina tsara (mifanena aminy) no nodominy satria tsy voahodiny ny familiana noho izy nandeha mafy loatra. Tanaty fiolahana moa no nitrangan'ny loza, teny Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana Kaominina Ambohimangakely.

Mafy dia mafy ny dona nahazo azy. Maty teo no ho eo ilay mpitondra moto satria ny zoro havia ridelle an'ilay camion no nitaty ny handriny. Vaky ary niparitaka ny atidohany. Mbola nahenoana fofona alikola moa ny razana, araka ny nambaran'ny zandarimaria. Namela mananontena sy zaza iray moa ity tovolahy ity.

Entanina hatrany ireo mpampiasa lalana rehetra, indrindra moa fa ny mpitondra kodiaran-droa, mba ho mailo. Tsy tokony handray familiana rehefa nisotrosotro satria mitombo ny fahasahiana nefa mihena ny fahafehezan-tena. Mihena mantsy ny fahafahan'ny atidoha mibaiko ny olona iray rehefa miakatra ny tahan'ny alikaola ao amin'ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires