• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Famaranana Jeux des Îles 2023 : Fandaminana matotra ho an'ireo mpijery rehetra

02/09/2023 20:49 © Moov.Mg

Taorian'ny namoizana ain'olona maro teny Mahamasina, nohatsaraina ny fitandroana ny filaminana tamin'ireo lalao rehetra nifandimby. Koa satria hamory vahoaka marobe indray ny famaranana amin'ny fomba ofisialy ny Jeux des Iles 2023, hentitra dia hentitra ireo mpikarakara sy mpitandro ny filaminana.

Ny alahady 03 septambra 2023 amin'ny 3 ora tolakandro no hanomboka ny lanonam-pamaranana ny Jeux des Îles andiany faha-11. Misy ireo lamina sy fepetra tsy maintsy hajain'ny rehetra izay mikasa hanotrona sy hiara-hifaly amin'izany. Hisokatra amin’ny 08 ora maraina ny vavahady.

Billet "tsotra" ho an'ny besinimaro

Ho voafetra ireo olona sy fiara hifamezivezy eny amin’ny manodidina ny Kianja Barea manomboka maraina mandrapahatapitry ny lanonana. Hisy ireo sakana na « barrage filtrant » amin’ireto toerana manaraka ireto :
-Tsimbazaza ambony
-St Michel Amparibe
-Rond-point Sénat Anosy
-Ambohijatovo
Eny amin’ireo sakana ireo no hilaharana ireo tapakila hidirana eny amin’ny « gradins ». Hisy « code couleur » manoro ny vavahady tokony hidirana ao anatin’ireo tapakila.
Olona efa nahazo tapakila avokoa noho izany no tafiditra amin’ireo sakana voalaza etsy ambony. Mamonjy ary miditra avy hatrany ny vavahady voatondro amin’ilay « code couleur » ao anaty tapakila izy ireo fa tsy misy filaharana intsony. Ny tapakila iray dia ho an'olona iray ihany.

Invitation ho an'ireo nasaina manokana

Hosavaina eny amin’ireo sakana ihany ireo « invitations » sy « badges », ho an'ireo izay voaasa manokana. Ireo fiara misy « coupe-file » irery ihany no tafiditra amin’ireo sakana, ary tsy maintsy manana karatra fanasana (invitation) na « badge » ihany koa ireo mpandeha ao anatiny.
Marihana moa fa tsy misy ny antso an-tariby na fanamarinana hafa azo ekena hanolo ny invitation na ny badge.
Tsara ho fantatry ny rehetra ny anarana sy ny toeran’ireo vavahady :
-E2 ampitan’ny Ste Famille
-E3 ampitan’ny Pharmacie Mahamasina
-E4 ampitan’ny Gerb’or
-E5 ampitan’ny Tometal

Fan Zone/ Direct

Mandeha mivantana amin'ny haino aman-jery TVM sy VIVA ny lanonana manontolo. Entanina ireo mitaiza kely sy efa nahazoazo taona hijanona any an-trano mba isorohana ny loza tampoka. Ireo izay tsy mahazo ny "billet" kosa nefa dia afaka manantona ny "fan zone". Hisy écran géant isaky ny toerana be olona eto an-drenivohitra, toa an'Analakely.

Entanina hatrany ny rehetra hanaraka ireo fandaminana, fa indrindra hitandrina tsara ireo ankizy sy tanora tsy ampy taona.

Lire la suite

Articles Similaires