• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Zava-mahadomelina : Hatreny Iavoloha ny mpivarotra rongony

02/09/2023 07:13 © Midi Madagasikara

Roa lahy no voasambotry pôlisy teny Ambohibao Iavoloha, ny alakamisy lasa teo, noho ny resaka fivarotana sy fanaparitahana rongony.

Vaovao azon’ny teo anivon’ny polisy misahana ny zava-mahadomelina teny Anosy no nahafahan’izy ireo nidina avy hatrany teny an-toerana. « Naharay vaovao avy amin’olona tsara sitrapo ny polisy fa misy mpivarotra rongony eny Ambohibao Iavoloha. Nidina ifotiny ny Polisy nijery ny zava-misy ary rehefa feno ny angom-baovao dia ny 31 aogositra maraina no natao ny vela-pandrika.

Tokony ho tamin’ny 10 ora no tratra teo am-pivarotana ireto roa lahy ka noraisim-potsiny. Nentina teny anivon’ny biraon’ny STUP eny Anosy izy ireo hatao famotorana. Niaiky ny heloka vitany izy ireo ary nilaza fa itambarany io rongony amidiny io », araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy.

Marihina fa samy mponin’Iavoloha izy roa lahy ireto ary miara-mipetraka. Omaly moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

Lire la suite

Articles Similaires