• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lejdd
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mpitily areti-mifindra 20 nahazo fiofanana

01/09/2023 22:41 © Moov.Mg

Manam-pahaizana momba ny areti-mifindra miisa 20, avy amin'ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, no notolorana mari-pahaizana, fiaraha-miasa amin’ny firenena amerikanina. Tanjona tamin’ny fanomezana fiofanana azy ireo ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ho fanatsarana ny fahasalaman'ny vahoaka Malagasy sy hampihenana ny loza mitatao maneran-tany amin'ny fahasalamana.

Zaza 16.500 tsy nahavita vaksiny feno

Miara-miasa akaiky amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka malagasy ny governemanta amerikanina eo amin’ny sehatry ny fitiliana ny areti-mifindra. Talohan’ireto mpiofana vao notolorana mari-pahaizana ireto dia efa nisy olona 37 no nanaraka fiofanana nandritra ny 12 herinandro, tao anatin'ilay Fandaharanasa maneran-tany momba ny fianarana mitily ireo areti-mifindra eny ifotony (FETP), izay novatsian'ny Foibe Amerikana momba ny Fanaraha-maso sy ny Fisorohana ny aretina (CDC) ho an'ny Vinan’ny Filoha Amerikanina hiadina amin’ny tazomoka (PMI). Taorian’ny fiofanana azony dia trangan'aretina lefakozatra tsy voatily maherin'ny 130 sy zaza 16.500 tsy nahavita vaksiny feno ihany koa no efa hitan’izy ireo.

Mpiaro ny fahasalamam-bahoaka

«Ireo izay vao nahazo diplaoma ireo, izay avy amin'ny lafy valon'i Madagasikara, dia hanampy amin'ny fisorohana, ny fitiliana ary ny famaliana amin'ny fomba mahomby kokoa ny hamehana ara-pahasalamana, ary hiaro ny fahasalaman'ireo vahoaka Malagasy», hoy ramatoa Anna Bowen, mpanolotsaina maharitra avy ao amin'ny CDC, nandritra ny lanonana notontosaina tao amin'ny Ivontoeram-Pirenena ho an'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fiarahamonina. «Satria efa mpiasan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo dia hanohy hanamafy ny rafitra ara-pahasalamana mandritra ny fotoana rehetra hiasany», hoy hatrany izy.

Fanampiana 72 tapitrisa dolara

Mpiasan'ny fahasalamana avy amin'ny firenena miisa 80 no misitraka ny fiofanana omen’ny FETP ary isan’izany i Madagasikara. Ireo mpitily aretina nahazo fiofanana dia miara-miasa akaiky amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny CDC, ary manampy ny Ministera sy ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) amin'ny fitilina ireo tranga an-jatony ahiahiana amin'ny lefakozatra sy ny fandraisana andraikitra manoloana izany. Isan’ireo mpiara-miombon’antoka goavan’i Madagasikara rahateo i Etazonia eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Raha ny tamin’ny taona 2022 izao dia fanampina mitentina 72 tapitrisa dolara amerikana no nomeny, ho fanohanana hetsika ara-pahasalamana marolafy.

Lire la suite

Articles Similaires