• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lyfar
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Angatahan’ireo parlemantera IRD ho kandida indray

01/09/2023 22:34 © Moov.Mg

Solombavambahoaka miisa 111 sy loholon’i Madagasikara miisa 16 androany no nanao fanambarana miaraka, mangataka ny firotsahan’ny filoha Andry Rajoelina indray mba hofidiana ho Filoham-pirenena. Teny amin’ny foiben’ny antoko Tanora Gasy Vonona (TGV) Arena Ivandry no nanatanterahan’izy ireo izany.

Manohana tsy misy fepetra

Araka ny fanambaran’ireto parlemantera mivondrona ao amin’ny IRD ireto dia manohana tsy misy fepetra ny filoha ankehitriny izy ireo ary mangataka azy mba hirotsaka indray, ho fanohizana ireo asa maro be efa vita sy ireo mbola hatao, ho fampandrosoana an'i Madagasikara. Tsy mahasakana azy ireo tsy hametraka ny fitokisany amin’ny filoha Andry Rajoelina ny resa-be manodidina ny maha-tsy malagasy azy intsony, izay voizin’ny mpanohitra amin’izao fotoana. Hain’izy ireo ny lalàna, hoy ireto parlemantera ireto, satria mpanao lalàna no asan’izy ireo.

Miandry kongresy

Raha tsy misy moa ny fiovana dia ny 5 sy 6 septambra ho avy izao no hanatanterahana ny kongresin’ny antoko TGV, eny amin’ny CCI Ivato. Andrasan’ny maro ny fanambaran’i Andry Rajoelina amin’ny fomba ôfisialy ny maha-kandida azy, any amin’ny faran’izany kongresy izany. Hatreto aloha dia efa nifanesisesy ny fanambarana fanohanana azy, avy amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry sasany. Isan’ireny, ohatra, i Sophie Ratsiraka, minisitry ny Asa tanana sy ny Haitao no sady mitarika ny vondron’antoko “Rassemblement des Pro Ratsiraka” (RPR), izay nanambara vao haingana ny fanohanany ny filoha ankehitriny. Efa naneho izay fanohanany ny firotsahan-ko fidian’i Andry Rajoelina izay ihany koa ny antoko Freedom, tamin’ny alalan’ny filohany sady minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy.

Mila mametra-pialana

Etsy an-daniny anefa, dia nisy tamin’ireo parlemantera niara-dia taminy hatramin’izay ihany koa no efa naneho ampahibemaso fa misintaka tanteraka amin’ny vondrona IRD sy ny filoham-pirenena. Misy amin’ireo aza no mety hifaninana aminy amin’ny fifidianana filoha-pirenena ho avy io, raha ho kandida tokoa ny filoha. Isan’izany i Siteny Randrianasoloniaiko izay miara-dia amin’ny anoko PSD (Parti Social Démocrate) sy i Brunelle Razafitsiandraofa atolotry ny Antoko Politika Madio (APM). Tsiahivina moa fa mila mametra-pialana mialohan’ny 9 septambra izao i Andry Rajoelina, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana, raha maniry ny hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena indray, amin’ity taona 2023 ity.

Lire la suite

Articles Similaires