• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fanamboaran-dàlana – RN 13 : Mandraraka tara ny orinasa Colas ankehitriny

31/08/2023 16:55 © Moov.Mg

Mandroso ny asa fanamboarana ny Làlam-pirenena faha 13 izay mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe ankehitriny.

Fampanantenana

Miroso tsikelikely amin’ny fandrakofana tara ny làlam-pirenena faha-13 ny orinasa COLAS, izay nampandraiketina ny asa fanamboarana. Làlana mirefy eo amin’ny 109 km izay mampitohy an’i Ambovombe Androy sy Taolagnaro, raha ny marimarina kokoa, ity rakofana tara ity.
Anisan’ireo làlam-pirenena izay nanaovan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina velirano fa tsy maintsy ho vitainy izy ity. Nilaza mihitsy moa ny tenany nisy fotoana fa tsy hanao politika intsony raha toa ka tsy vita mandritra ity fotoam-pitondrany ity io làlam-pirenena faha-13 io. Raha tsiahivina dia ny volana jona 2022 no natomboka ny asa fanamboarana, ary ny fanjakana sy ny Banque Européenne d’Investissement no manatanteraka azy.
Araka ny vina izay napetraka tokoa manko dia ho atao tara tanteraka io làlana io, ary atao manaraka ny fenitra irasam-pirenena izany.

Ho fampandrosoana ny faritra

Nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena tany amin’iny faritra iny, ny volana aprily lasa teo, dia namafy ny tenany fa « tsy maintsy miova ny tantaran’ny faritra Atsimon’ny Nosy noho ireo fotodrafitrasa goavana napetraky ny fitondram-panjakana ao an-toerana ». Tafiditra ao anatin’izany fotodrafitrasa izany ny fanamboarana ity làlam-pirenena izay nampikaikaika ny vahoaka any an-toerana ity.
Anisany manampy amin’ny fandrosoan’ny faritra iray ny fahatsaran’ny làlana. Miantoka ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana ireo karazan’entana tokoa mantsy izany. Inoana fa hanatsara ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo tanàna sy faritra manamorina iny làlana iny ny fanamboarana sy ny fahavitan’io làlana io.
« Làlan’ny firaisan-kina », io no anara homena ity làlamp-irenena faha-13 ity « satria tsy ny faritra Androy sy Anosy ihany no hampiraisin’izany fa antenaina hampiray hina ny Faritra sy ny Malagasy iray manontolo, hoy hatrany ny filoha.

Lire la suite

Articles Similaires