• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Ministeran'ny fiarovam-pirenena : 48 taona androany no namonoana ny Kolonely RATSIMANDRAVA

11/02/2023 13:14 © Moov.Mg

Nomarihana sy notsarovana teny Ambohijatovo ambony, toerana nahafatesan'ny Kolonely RATSIMANDRAVA ny andron'ny 11 febroary 1975 izay namonoana azy.

Nisy ny fanompoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana ho an'ny firenena sy ho an’ ireo maherifon'ny firenena maty ho an'ny Tanindrazana. Narahin'ny fametrahan'ireo tompon'andraikitra ambony eto anivon'ny foloalindahy fehezamboninkazo. Nanotrona izany fotoana izany ireo Lehiben'ny Andrim-panjakana maro sy ireo minisitra eo anivon'ny Governemanta ary ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena.

Notsarovana nandritra izany ihany koa ireo mpitandro filaminana namoy ny ainy teo ampanantanterahana ny iraka sy ny asa nampanaovina azy. Nankahery ny fianakavian'izy ireo, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue tao anatin’ny fandraisam-pitenenany.

Lire la suite

Articles Similaires