• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Akany Mikolo Fanantenana : Manabe ankizy 45 isa, mila ny fanampian’ny malala-tanana

25/10/2024 19:04 © Moov.Mg

Mbola misy ny olona tsara sitrapo, vonona hanampy ny Malagasy mpiara-belona aminy. Isan’ireny Razanajatovo Rachel, mpampianatra misotro ronono, nanorina ny Akany Mikolo Fanantenana eny Ambohijanaka. Miantso fanampiana amin’ireo malala-tanana izy, hahafahany manabe ireo ankizy maherin’ny 40 beaziny.

Ankizy kamboty sy sahirana

« Zon’ny ankizy ny hahazo fanabeazana », hoy Razanajatovo Rachel, talen'ny Akany Mikolo Fanantenana. Resy lahatra tanteraka amin’izany ity mpampianatra misotro ronono ity, ka nanapa-kevitra ny hanorina ny Akany Mikolo Fanantenana, ao amin'ny Fokontany Antovontany, eny Malaza Ambohijanaka. Nanomboka ny taom-pianarana 2019-2020 no nandray mpianatra ny Akany, ka ireo ankizy amin'ny taonan'ny garabola (préscolaire) no beazina ao aminy, izany hoe : ireo ankizy 3 hatramin’ny 5 taona. Misy anankiray ihany anefa, efa mihoatra ny 5 taona, saingy manohy mianatra ao amin'ny Akany Mikolo Fanantenana. Tsy manana fahafahana hampianatra azy eny amin'ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ny reniny, izay nilaozam-bady, ka notazonin'ny akany izy, mba tsy ho very izay fanabeazana efa azony, araka ny fitantaran-dramatoa tale.

Natokana ho an'ireo ankizy kamboty sy zanak'olona sahirana ara-pivelomana tokoa mantsy ny Akany Mikolo Fanantenana. Miara-miasa amin'ny Fokontany ireo mpanabe amin'ny fifantenana ireo ankizy hobeazina. 45 isa ihany no zakan'ireo efitranon-tsekoly miisa 2, izay hofain'ny Akany. Tsy maharaka ihany koa ny sakafo homena ireo mpianatra, raha mihoatra izay ny isan'ny ankizy. Ankoatra ny fanabeazana, izay manaraka ny fandaharam-pianaran'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena mantsy, dia misitraka sakafo maraina sy antoandro ny mpianatra. "Misy amin'izy ireo no tsy mihinana mihitsy miala any an-tokantranony", hoy ny talen-tsekoly.

Tohana avy amin’ny malala-tanana

Izany asa fanabeazana rehetra izany dia iandraiketan'olona 4, izay miasa maimaim-poana sy an-tsitrapo. Zanak'i Razanajatovo Rachel ihany ny roa amin'ireo mpampianatra ary namany ny iray. Ny malala-tanana, fikambanana na olon-tsotra, no manohana ny Akany amin'ny sakafo sy fampitaovana ny ankizy. Ho an'ny androany 25 ôktôbra 2024, dia ny Fondation Axian no tonga nanolotra izay voarambin'ny tanana ho azy ireo. Vary, fitaovam-pianarana ary ody am-bavafo ho an'ny ankizy no natolotra tamin'izany. Nampanantena ihany koa anefa ny Fondation Axian, fa handray an-tanana ny fandoavana ny hofan-trano, mandritra ny taom-pianarana manontolo, raha ny nambaran-dRazakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon’ny Axian. « Mba maivamaivana izahay rehefa miala ny hofan-trano », hoy Razanajatovo Rachel. Hanampy ny Akany ihany koa ny Fondation Axian, amin’ny fanorenana lakozia handrahoana ny sakafon’ny ankizy. Mbola miantso fanampiana amin’ireo malala-tanana rehetra moa ny tomponandraikitry ny Akany Mikolo Fanantenana, hanohanana ireo ankizy marefo beaziny, amin’ny lafiny maro, toy ny fitafiana, ny sakafo… Fanirian’ny Akany Mikolo Fanantenana ny hanana trano azy madiodio, mba hahafahany mivelatra kokoa eo amin’ny asa fanabeazana sahaniny.

Lire la suite

Articles Similaires