• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Faritra Diana : Zanakazo miisa 16 000 no voavoly tao Anketrakabe

11/02/2023 08:47 © Moov.Mg

Tontosa omaly 10 febroary tao Anketrakabe ny fanokafana ofisialy ny fambolen-kazo ho an’ny Faritra DIANA.

Izany hetsika izany dia notarihan-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy ny avy eo anivon’ny Faritra DIANA, ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena , ny #DREDDDIANA ary natrehan’ny Masoivohon’ny Repoblika Koreana Atsimo eto Madagasikara.

Zanakazo miisa 16 000 no novolena tamin’ny velaran-tany 16Ha izay efa nampiarahana amin’ny aro afo ho fiarovana ireo zanakazo. Novolen’ireo mponina eo Anketrakabe voliavotra nahitana voanjo sy mangahazo eo amin’ireo toerana nametrahana aroafo ireo, sady manome vokatra atao sakafo ho azy ireo no manamafy ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ireo zanakazo amin’ny doro tanety araka ny fanentanana izay nentin-dRamatoa Minisitra.

4 993Ha no velarana voavoly hazo tao amin’ny faritra DIANA ny taona 2022 ary 83% ny taham-pahombiazana tamin’ireo hazo voavoly izay nahitana fambolen-kazo an-tanety sy ala honko.

Lire la suite

Articles Similaires