• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Assurances ARO : Mpiasa aman-jatony notolorana mari-boninahitra

11/02/2023 06:39 © Moov.Mg

Notontosaina ny zoma 10 febroary 2023 ny 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝘁e𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺-𝗽𝗶𝗮𝗻𝘁𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗔𝗥𝗢

Lanonana natrehan-dRamatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo , Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, amin'ny maha-minisitra mpiahy tranom-piatohana azy, sy Andriamatoa Sekretera Jeneraly RAMANAMPANOHARANA Andry, amin'ny maha Filohan'ny Filankevim-pitantanan'ny ( PCA) tranom-piatohana ARO azy.

Nanamarika ny fotoana ny fanomezana ireo mari-boninahitra samihafa ho an’ireo mpiasa mendrika. Miisa 10 ireo nahazo ny Officiers de l’Ordre national ; 31 no nahazo ny chevalier de l’Ordre national ; 10 no nahazo ny médaille de travail ; ary 61 no nahazo ny médaille de la compagnie.
Nandritry ny lahateny nataon’ny Tale Jeneralin’ny tranom-piantohana Aro, Ramatoa Lantonirina ANDRIANARY, dia notsindriany ny firosoana lalina kokoa hatrany amin’ny « 𝙢𝙤𝙙𝙚𝙧𝙣𝙞𝙨𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 » (𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙖𝙣𝙖) 𝙨𝙮 « 𝙞𝙣𝙣𝙤𝙫𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 » (𝙣𝙖 𝙛𝙞𝙝𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙖𝙣𝙖) eo amin’ny tontolon’ny asa fiantohana.

Ramatoa Minisitra kosa dia nanasongadina fa manana adidy sy anjara andraikitra lehibe ny Tranom-piantohana ARO amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asa mba hanintona bebe kokoa ireo mpanjifa ny tsenam-piantohana.

Lire la suite

Articles Similaires