• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Muay - Thaï_Institute_Madagascar
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenena ho an’ny “Muay Thai” : Nahavory ankizy sy tanora maro ny mpikarakara…

10/02/2023 09:37 © Midi Madagasikara

Nifampitaona teny amin’ny club nautique ny rehetra ny alahady teo hijery ny haiady Muay Thai. Taranja vaovao eto Toamasina izy ity ka maro ireo tanora sy ankizy ary ray manan-dreny voasarika tamin’izao raharaha izao.

Ny mr Mamy “Ajarn Mamy” no fiantso azy no nitarika ny hetsika rehetra, izy rahateo no tale teknika eo anivon’ny federasionany Muay Thai eto amintsika. Mpampiofana iraisam-pirenena ny tenany momba ity haiady ity. Vokany, tena tonga maro ny olona niatrika izany na ireo ray man-dreny, na ireo ankizy liana amin’ilay taranja, ary ireo tanora efa tafiditra ao anatiny. Mahery fihetsika ihany ilay haiady saingy misy ny fepetra tsy maintsy arahina sy ifampifehezana, ka nahavariana ireo katitakely ny zavatra hitany. Nisy rahateo sehoky iray mananontolo nitondra ny mpianany tamin’izao hetsika izao. Raha ny tantara dia haiady avy any Thailand ny Muay Thai, ary avy amin’ny kick boxing no nakana azy , ka nanatsara ny fomba ara-teknika ny haiady. Ny volana oktobra 2022 teo dia efa nibata medaly volamena sivy sy alimo enina ary volafotsy dimy ny atleta avy aty amin’ny faritra Atsinanana, nandritra ny fiadiana ny ambaoran’i Madagasikara natao tao Antananarivo. Ho an’i Toamasina dia efa manana klioba dimy.

Lire la suite

Articles Similaires