• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena.Jpg
Image
Vaovao

Notolorana fitaovana entina miady amin’ny asan-jiolahy ny polisim-pirenena

09/02/2023 17:19 © Moov.Mg

Notontosaina anio tetsy amin’ny Toby Razafindrazaka Berthin Antanimora ny fifanaova-ntsonia teo amin’ny Tafika malagasy sy ny Polisim-pirenena. Tamin’izany fifaharahana izany ary no nahafahana nanome fitaovam-piadiana sy vanja ho an’ny Polisy mba hanampiana azy ireo amin’ny ady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana.

Tonga teny an-toerana ary nandray izany fitaovana izany moa ny Ministry ny Filaminam-bahoaka Contrôleur Général de Police, Fanomezantsoa Randrianarison sy ireo lehibe isan-tsokajiny eo anivon’ny Polisim-pirenena. Teo ihany koa ireo lehibe isan-tsokanjiny eo anivon’ny Tafika malagasy izay notarihin’ny ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Richard Rakotonirina. Nolazainy tamin’ny lahateny izay nataony tamin’izany ary fa mpitandro filaminana mifanome tànana, mifankahazo ary miray fo no ilaina hiarovana ny firenena sy hampanjakana ny filaminana eto amin’ny Nosy.
Tetsy andaniny kosa dia nisaotra ny Tafika malagasy ny ministry ny Filaminam-bahoaka noho izany fanomezana izany, izay tsy inona fa valin’ny fangatahana izay efa nataon’izy ireo ihany. Hita amin’izany ny fifanohanana eo amin’ny roa tonta mba hiarovana ireo vahoaka amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay manjaka eny amin’ireo faritra mena sy saro-dàlana. Mifanohana araka izany ireo mpisehatra eo anivon’ny fitandroana ny filaminana hametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra, izay antoky ny fampandrosoana.

Lire la suite

Articles Similaires