• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Current_School_News
Image
Vaovao

Korea : Vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy sy morisianina

09/02/2023 16:45 © Moov.Mg

Mpianatra malagasy 3 sy morisianina 1 indray no ho toloran’ny governemantan’ny korea atsimo vatsim-pianarana. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana misy eo amin’ny Madagasikara sy Korea. Amin’ity indray mitoraka ity dia ny sehatry ny fampianarana indray no hiantefan’izany fiaraha-miasa izany.

Faharetan’ny vatsim-pianarana

Mizara telo ny faharetan’izany vatsim-pianarana izany. Haharitra 3 taona ny voalohany ary natao ho an’ny mpianatra maniry ny hahazo ny diplaoma « Master ». Ny faharoa kosa dia haharitra 4 taona ary natao ho an’ny olona te ahazo ny diplaoma « Doctorat ». Ary ny fahatelo farany dia natao ho an’ireo mpianatra mpikaroka, ary haharitra enim-bolana hatramin’ny eri-taona izany.
Hisy ary ny mason-tsivana, koa amin’izany no ahafahana mifantina izay mendrika ahazo io vatsim-pianarana io. Ho an’ireo liana amin’ity tetik’asa ity dia afaka mametraka ny antontan-taratasy eny amin’ny masoivohon’ny Repoblikan’ny Korea nalefa DHL izy ireo hatramin’ny 17 marsa 2023 amin’ny 12 ora atoandro.
Ireto avy ary ireo fepetra ilaina hisitrahana izany :

Tera-tany malagasy na morisiana

Latsaky ny 40 taona (izany hoe teraka tao aorian’ny 1 septambra 1983)

Nahazo salanisa tsara tamin’ny « Cumulative Grade Point Average »

Afaka manaraka ny rohy ao amin’ny pejin’ny masoivohon’ny Repoblikan’ny Korea ihany koa raha te ahazo fanazavana fanampiny momba ireo antotan-taratasy ilaina amin’izany.
Marihana fa raisin’ity vatsim-pianarana ity an-tànana avokoa ny saram-pisoratana anarana, ny vola fanampiana isam-bolana, ny vola fanampiana amin’ny fikarohana isaky ny enim-bolana, ny saram-piaramanidina, ny tambin-karama, ny saran’ny fiofanana amin’ny fianarana ny teny koreana, ny saran’ny fanatontana ny boky, ary ny fiantohana ny fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires