Fitokonana Ankatso II : Miantso ny mpianatra ho tony ny ministera mpiahy
Taorian’ny fitokonana izay nitranga ny herinandro lasa teo nohon’ny fahatapahan’ny rano any amin’iny Ankatso II iny dia nanatanteraka fitokonana hafa indray ireo mpianatra. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ireto farany amin’ny mba hanamboarana ny Bloc Amical 2 ao Ankatso II.
Ny fanamboarana io Bloc Amical 2 ao Ankatso II io moa dia efa tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa. Fa nohon’ny disadisa izay nisy teo amin’ny CROU-A sy ny orinasa niandraikitra ny asa fanamboarana dia nofoanana izany « fifanekena sy ny fifanarahana arak’asa » izany. Rehefa naharitra telo taona ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta dia voatery nahato rehefa nisy ny tsy fifanarahana.
Noraisin’ny ministera mpiahy an-tànana nanomboka teo ary ny asa fanarenana ny Bloc 15 eny Vontovorona sy ny Bloc Amical 2 ao Ankatso II. Efa nanomboka mampiditra entana tsikelikely nanomboka ny 25 janoary teo ny ministera izay ahitana « parpaings », « ciments », « fer ». Ankoatra izay dia tao ihany koa ireo fitaovana maro samihafa ilaina amin’ny fanamboarana sy ny fanarenana trano. Nanamafy ary ny CROU-A fa tsy tafiditra ao anatin’ny lalàna mifehy ny teti-bola ny mety hisian’ny loza fahamaizana tahaka ireny.
Noho ny ezaka izay efa ataon’ny ministera ary manoloana ny zava-misy, dia miantso ireo mpianatra ho tony hatrany ny CROU-A mandra-pahavitan’ny asa fanamboarana rehetra. Satria « tsy vita indray andro ny fanamboarana trano », hoy hatrany ny CROU-A tao anatin’ny taratasy fampahafantarana izay navoakany.