Ministeran'ny varotra : Fampiroboroboana ny seha-pihariana momba ny lamba
Tadifiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana entina mampandroso ny toekarena eto Madagasikara ny seha-pihariana momba ny lamba
Niaraka nifampidinika mikasika ireo temboka lehibe miisa efatra hita taratra amin’izany drafitra izany ireo mpiara-miombona antoka ahitana ny sehatra tsy miankina (ny GEFP, ny EDBM), ny MICC (Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria, Gaëtan Ramindo sy ny mpanolontsaina manokan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy, Christian Rasoamanana) ary ny kabinetra miandraikitra ny fandrafetana ilay drafitra stratejika. Isan’ny goavana ao anatin’ireo temboka miisa efatra ireo ny fanodinana ny akora fototra eto an-toerana.
Antony anakiray lehibe hametrahana haingana ny stratejika maharitra ihany koa ny fametrahan’ny fanjakana malagasy ho isan’ny laharam-pahamehana dimy voalohany ity seha-pihariana ity.