Ady amin'ny herisetra : Tonga ao Marovoay ny "Caravane de la santé"
Tonga ao Marovoay ny "caravane de la santé " hanolotra fitsaboana maimaim-poana ho an'ireo mponina any an-toerana taorian'ny fandalovan'ilay rivo-doza "cheneso" tany amin'ny faritra boeny.
Isan'ny sampan-draharaha mitondra fanampiana ny vahoaka ny Polisy vehivavy avy ao amin'ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) izay miandraikitra manokana amin'ny fanentanana ny ady amin'ny herisetra .
Nitsidika ny faritra Marovoay moa ny filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA ary nitondra fanampiana ho an' ireo mponina any an-toerana. Tamin'izany indrindra no nitondrany teny fankaherezana ny BFP. Nambarany fa zava # dehibe hoy izy ny fanentanana ataon'ny Polisy eny anivon'ny fiaraha-monina indrindra ny lafiny fisorohana ireo herisetra izay miseho amin'ny endrika maro isan-karazany.