Vaovao
RN4 : Mitohy ny asa fanamboaran-dalana
Mitohy hatrany ny asa fanamboarana sy ny fanatsarana ny lalana tapaka teo amin'ny PK 434+700 sampanan'Anjiajia amin'ny lalam-pirenena faha-4 (RN 4).
Efa afaka mandeha avokoa ireo fiara rehetra anisan'izany ireo fiara vaventy (camion).
Ny asa fanamboarana dia tsy hitsahatra fa mitohy hatrany, koa manentana antsika mpampiasa lalana hanaraka sy hanaja ny toromarika sy ny fandaminana any an-toerana.
Marihina fa tsy andoavam-bola ny fandalovana sy fiampitana amin'ireo lalana nisy fahatapahana ary mbola ao anatin'ny asa hamboarina amin'ny lalam-pirenena faha-4 (RN 4) mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga.