Vaovao
Fampianarana : Vita ny EPP manara-penitra Morafeno Sud Arivonimamo
Misitraka trano fianarana maoderina ny ao amin'ny fari-piadidiam-pampianarana Arivonimamo. Notanterahina ny fandraisana vonjimaika ny asa fanamboarana ny EPP Manara-penitra Morafeno Sud.
Tafiditra ao anatin'ny velirano faha-4 napetraky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fampivoarana ny fampianarana. Ho fanatanterahana izany indrindra dia maro ireo toerana misitraka fotodrafitr'asa manara-penitra.
Ho an'ny fari-piadidiam-pampianarana Arivonimamo, noraisina vonjimaika (réception technique) ny EPP Manara-penitra Morafeno Sud. Ahitana efitrano 12 moa io sekoly io.