• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Lapan'i Majakamiadana : Manomboka ny asa fikolokoloana ny fiangonana anatirova

30/01/2023 16:55 © Moov.Mg

Manomboka ny fikolokoloana ny trano fiangonana eny amin'ny lapan'i Manjakamiadana, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra. Voalohany amin'izany ny fanamboarana ny tilikambon'io vakoka io.

Araka ny efa fantatra dia nipoahan'ny varatra ny tilikambon'ny fiangonana ao anatirova. Efa eo an-dalam-panatanterahana araka izany ny asa fanamboarana. Tsy vitan'izay nefa fa tsikaritra fa miha-antitra ny tafo sy ny vatan'ny fiangonana. Izany indrindra no tsy maintsy anombohana ny asa fikolokoloana (travaux d'entretien). 30 andro no fotoam-panarenana ny tilikambo, araka ny voalaza ao anaty bokin'andraikitra. Mety hitombo anefa io fe-potoana io satria misy asa maika ihany koa, toa ny fanoloana ireo tafo mitete.

Araka ny voalazan'ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, dia misy rano ao ambanin'ny fiangonana. Izany rano izany no anisan'ny mampalemy ny foto-drafitr'asa. Noho izany indrindra, hisy ny "travaux de sondage" ahafantarana ny fototry ny rano, mba ahafahana manatsiaka izany rano izany (drainage).

Tsiahivina moa fa anisan'ny vakok'i Madagasikara ny fiangonana anatirova. Miara-misalahy amin'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny fitondram-panjakana araka izany ireo taranak'Andriana.

Lire la suite

Articles Similaires