Fiakaran'ny rano : Ambohidava Ampitatafika mitoka-monina tanteraka
Lasa Nosy kely mihitsy noho ny fahavakisan'ny fefilohan'ny sisaony.
Tamin'ity herinandro ity, fokontany 2 no lasibatra Anjanamaitso sy Ambohidava ka olona 250 no ezahina avoaka tao. Nanomboka omaly alina tontolo ny fanalana ireo olona mbola mipetraka eny an-toerana (évacuation)ary mitohy hatramin'izao maraina izao.
Iarahan'ny BNGRC miasa amin'ny CUA,ny sapeur pompier ,ny distrikan'Atsimondrano,ny Corps de protection civile,ny Zandarimariam-pirenena,ny fanalana ireo olona ireo.
Hialana amin'ny fitokana-monina sy ny mety fahasahiranan'ireo mponina ireo mo no tena tanjona amin'izanyAmbohidava Ampitatafika mitoka-monina tanteraka
Trano 50 mahery no nentin'ny fefiloha tamin'ny rivodoza tamin'ny taona 2022 araky ny voalazan'ny tompotanàna.Tsy misy ny aina nafoy fa ny fananana no very fa io fahalasanan'ireo trano marobe ireo no nanamora ny fiakaran'ny rano haingana aty antoerana amin'izao fotoana .