Sommet de Dakar 2023 : Nahazo 534 tapitrisa dolara i Madagasikara
Noho ireo ezaka vitantsika Malagasy sy ny fananantsika vina mazava dia mitohy hatrany ny fahatokisan’ ireo mpiara-miombona antoka iraisampirenena an'i Madagasikara
Nahazo tohana mitentina 334 tapitrisa dolara avy amin'ny BAD ary 200 tapitrisa dolara avy amin'ny FIDA i Madagasikara ho fanatanterahana ny "Pacte National sur l'alimentation et l’agriculture" izay drafitra mamaritra ireo asa ho tanterahina hanatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafo Madagasikara.
Nentiko teto anatrehan'ny fivoriana niarahana tamin'ireo mpiara-miombona antoka sy mpamatsy vola teto Dakar ireo asa vita sy ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana mba hanatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafo.
Anisan’izany ny fampitaovana toy ny zezika sy masomboly ho an'ireo tantsaha eny ifotony manerana ireo faritra maro eto Madagasikara, ny fanomezana tany hiasan'izy ireo, ny fampiakarana ny voka-bary hahatratra 5 taonina isaky ny hekitara, ny fametrahana ireo ozinina manodina ireo vokatra amin'ny alalan'ny fandaharanasa ODOF.
Resy lahatra amin'ny finiavana sy ny vina ananantsika ireo mpiara-miombon'antoka ka izao manamafy hatrany ny fanohanan'izy ireo an'i Madagasikara izao.