• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aa
Image
Vaovao

Fikaran’ny rano : Filazana loza manambana amin’ny lemak’Antananarivo

26/01/2023 11:58 © Moov.Mg

Noho ny rotsakorana nisesisesy tato ato, izay vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso dia nahitana fiarakarana ny renirano Sisaony izay tafiditra anatin’ireo renirano mandalo ny lemak’Antananarivo, araka ny tatitra nataon’ny APIPA anio maraina taminn’ny 8 ora.

Manan-kery araka izany ny loza fanairana miloko mavo, ho an’ny reniranon’ny sisaony, koa mila mitandrina ireto kaominina voalaza manaraka ireto : Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe.
Mahatratra 2,68 m ny haavon’ity reniranon’i Sisaony ity ankehitriny, raha ny mari-drefin’Ampitatafika no jerena. Refy izay efa nihoatra ny 2,50 m, izay refy entina ilazana ny loza manambana (mavo) ho an’ny mari-drefin’Ampitatafika. Heverina hisy fidinany anefa izany haavon’ny rano izany ato anatin’ny 12 ora manaraka, hoy hatrany ny APIPA.
Etsy an-daniny dia mbola tsy misy ahiana raha ny refin’ny reniranon’Ikopa sy i Mamba manokana. Nahitana fidinana 0,13 m ary ny refin’Ikopa tato anatin’ny 24 ora, ka 2,37 m no ahavony ankehitriny raha ny mari-drefin’Ambohimanambola ohatra no jerena. Ho an’ny reniranon’i Mamba kosa dia 1,92 m no haavony eo amin’ny mari-drefin’Ambohidroa. Nisy fidinany 0,06 m araka izany ny refin’ny rano tao anatin’ny 24 ora.
Manentana ny rehetra ho mailo hatrany noho ny fitohizan’ny rotsakorana sy ny mety ho fiakaran’ny rano.

Lire la suite

Articles Similaires