• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Toavina_Rabe
Image
Vaovao

Tsy filaminana eto Toamasina : Matin’ny zandary ingahy Lemena

24/01/2023 10:01 © Midi Madagasikara

Mpanao ratsy nikoizana tao Toamasina II iny ingahy Lemena na i Vazaha, efa nanao ny asa ratsiny teto Toamasina I koa izy ity, saingy niova filamatra nakany Toamasina II.

Araka ny fanazavan’ny zandary dia misy rohiim-pinamanana amin’ny ingahy Rasihahaka ity jiolahy maty ity, saingy nisaraka ny lalana taty aoriana. Raha ny fanazavan’ny vadiny hoy ny zandary dia matory ao an-tranony foana isaky ny alina izy ity, saingy vao tonga ny 4 ora maraina lasa miala ny tranony izy.

Raha ny fanazavan’ny zandary dia tao an-tranony tao Andranomadio Pelle 11/42 no nahatrarana azy tamin’izao, ka raha nentina nikaroka ny namany sy ireo entana halatra ny tenany dia nikasa ny handositra ka teo no nitifiran’ny zandary azy. Araka ny fanazavana hatrany dia efa nanafika vola 2 tapitrisa ariary tao Ambodilazana izy ireo sy ekipany vao tsy ela akory izany, ka tamin’izany no nilazany fa naleviny tao anaty rano ny basy nampiasany, nefa raha nokarohana tsy nisy izany akory. Ny tena olana amin’ity jiolahy ity dia dorany ireo olona avy anaovany asa ratsy, tahaka ity tao Ambodilazana ity. Matin’ny zandary tao Andranomadio teo akaikin’ny ambodivolo misy ny tranom-badiny ingahy Lemena, ary efa eny tranom-patin’ny hopitaly be ny razana.

Matin’ny zandary ny alahady maraina be teo ny jiolahy iray namaky trano tao Analakininina hopitaly be. Raha ny fanazavana dia nanomboka ny 3 janoary faran’ny teo dia efa nahatratra 17 tapitrisa ariary ny sandan’ny zavatra very tamin’ity tokontrano ity. Raha ny fanazavan’ny zandary naharay antso izy ireo ka avy hatrany dia natao ny “intervention” izy ireo tamin’ny 3ora maraina; izay faha-4 ny fanafihan-jiolahy tamin’izao. Tonga dia niditra ny zandary nanao ny “intervention” ary maty tamin’izany ity jiolahy iray tonga tao amin’ity tokontano ity izay tratran’izy ireo. Araka ny fitarainan’ilay tompon-trano dia efa very ihany koa moto “BW’s”-n’izy, ny gisa maro be ireo talohan’izao. Araka ny nambaran’ny zandary dia tsy mampiasa basy fahatany ny zandary fa matoa izy izao nitifitra dia nisy fihetsika nataon’ilay jiolahy tamin’ny fahatrarana azy. Afaka miantso ny laharana 119 sy 0342014597 ireo olona mila ny zandary ary afaka miantso ny zandary koa ireo hanatitra vola eny amin’ny toeram-pitehirizana vola samy hafa.

Lire la suite

Articles Similaires