• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Halatra môtô : « Mecanicien » tratra ambodiomby tetsy Ambilanibe

23/01/2023 10:07 © Midi Madagasikara

Mirongatra tanteraka ny halatra môtô ! Ny sabotsy lasa teo, lehilahy 39 taona, izay fantatra ihany koa fa « mecanicien », mpanamboatra môtô no tsikaritry ny olona saika hanao izany asa ratsy izany tetsy Ambilanibe. Môtô Scooter iray no saika lasibatra. Soa ihany, nitsikian’ny vintana ilay tompony, ka noraisim-potsiny teo am-pangalarana izany ingahirainy.

Efa teo am-panosehana ilay môtô mihitsy ity lehilahy ity no somary nitoditodika no sady nijery ny manodidina. Izany fihetsika hafahafa izany no nahamailo ireo olona miasa manoloana ny toerana fivarotan-tsolika iray teny an-toerana. Ireto farany no nampandre avy hatrany ny pôlisy. « Tsikaritr’ireo olona miasa manolona ny « Station Shell Ambilanibe » ny fihetsika hafahafa sy kodikaody ataon’ity lehilahy ity ,eo ampanosehana ilay moto no mitoditodika sady mijery ny manodidina. Manoloana io tranga io dia tsy nisalasala izy ireo niantso sy nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany. Vokany tratra ambodiomby tsy lavitra teo amin’ny « station shell » ity lehilahy ity ka rehefa natao ny fisavana azy dia tsy nanana taratasy momba an’ilay moto na iray akory aza ity lehilahy ity no tsy nisy fanalahidy teny aminy.» hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena.

Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany moa dia ankevitry ny efa mpangalatra môtô raindahiny ity rangahy ity. Efa manana teknika manokana nentina nangalarana izany môtô izany mantsy izy raha ny hitan’ireo pôlisy. « Efa nopitsohana ny lohan’ny ity moto ity tamin’ny fotoana nangalarany azy mba ahafahan’ity farany manosika azy. Fantatra fa mpanamboatra moto no asan’ity lehilahy ity » hoy hatrany ny vaovao. « Nosamborina avy hatrany izy ka noetina teo anivon’ny sampan-draharaha SUT hanaovana fanadihadiana manokana mahakasika izao tranga halatra moto izao ».

Lire la suite

Articles Similaires