• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohimanambola : Tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana ravan’ny zandary

23/01/2023 09:09 © Midi Madagasikara

Alasora, Ambohimangakeky, Mandikanamana, Amoronakona, Ikianja, Ankadiefajoro, Ambaniala, Antsobolo, Ambatomaro … Ireo no toerana efa nataon’ireto andian-jiolahy mitam-piadiana ireto nitondra faisana nandritra ny asa ratsy nataony. Ny sabotsy lasa teo no ravan’ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza izany tambajotra izany. Olona valo no voasambotra, ka vehivavy ny iray.

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia efa ikoizana tanteraka amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana, famakiana trano ary fidorohana zava-mahadomelina raha ireto olona voasambotra ireto. Tao Ambohipeno ambany, kaominina Ambohimambola, izy ireo no tra-tehaka sy noraisim-potsiny, raha nikasa ny hanao ny asa ratsin’izy ireo. Nisy avy hatrany moa ny fanomezam-baovao avy amin’ny mponina teny an-toerana, tamin’ny alalan’ny fifanomezan-tanana ary voarain’ireo zandary misahana ny faritra izany. Tsy niandry ela ireto farany fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana, nanamarina ny zava-nisy. Fantatra tamin’izany tokoa fa misy andian’olona mikonokonona fanafihana tokoa teny an-toerana. Natao avy hatrany ny fikarohana.

Niainga tamin’ny fisamborana lehilahy iray, izay fantatra fa mpivarotra rongony teny an-toerana ny fanadihadiana rehetra, ny alarobia teo. Ity farany, izay fantatra ihany koa fa isan’ireo mpamatsy rongony ireo olon-dratsy. Tamin’ny famotorana ity lehilahy ity no nahafantarana avokoa ireto jiolahy manomana fanafihana ireto. Nanomboka teo ny fisamborana ary tsy nijanona raha tsy ny sabotsy teo, izay nahafahana nisoroka mialoha izany fanafihana izany, ary nahasamborana ireo olona valo. Tafiditra tao anatin’izany ny vehivavy iray, izay isan’ireo mpiray tendro sy azo heverina fa mpanoro ireo « lavaka » an’ireo namany.

Lire la suite

Articles Similaires