Fiangonana Katolika : Mgr Tomasz Grysa, Nonce Apostolique vaovao eto Madagasikara
Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Nonce Apostolique, Son Excellence Mgr Tomasz Grysa, androany 18 janoary 2023 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Nanambara ny Nonce Apostolique fa ny Fiketrahana Masina dia vonona hatrany hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena malagasy sy hifanome tanana amin'ny Fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana ireo ezaka amin’ny fampandrosoana an'i Madagasikara.
Ny Fiangonana Katolika moa dia anisan'ny mitondra ny anjara birikiny amin'ny fitaizana ny vahoaka sy ireo asa fampandrosoana ny Firenena eo amin'ny sehatra maro toy ny fanabeazana, ny fahasalamana sy ireo asa sosialy isan-karazany.
Mirary soa ho an'ny Mgr Tomasz Grysa.