Cyclone CHENESO : Hiditra vao maraina eo anelanelan'i Antalaha sy Vohémar
Cyclone 2023 Cheneso : Faritra mena ny ao Diana, Sava ary Analanjirofo manomboka amin'ny 8 ora alina. Rotsakorana betsaka ho an'ny faritra Boeny sy Analamanga hatramin'ny alahady.
Manohy ny diany miakandrefana hikasika ny morontsirak'i Madagasikara ilay Cyclone Cheneso. Hiditra eo anelanelan'i Vohémar sy Antalaha io rivodoza io rahampitso vao mangiran-dratsy. Tamin'ny 3 ora hariva teo dia niakatra 80 km/ora ny rivotra entiny. Mety hahatratra ny 140 km/ora kosa nefa ny tafiotra miaraka aminy.
Araka ny efa voalaza tetsy ambony, faritra mena ny ao Diana, Sava ary Analanjirofo. Filazana miloko mena na loza mitatao izany no mahakasika ireo faritra ireo. Filazana loko mavo kosa na loza manambana ny ao Sofia, Alaotra Mangoro ary Atsinanana.
_Hiteraka rotsakorana betsaka i CHENESO, ary tsy ireo faritra voakasika ireo ihany fa Boeny sy ny afovoan-tany ihany koa. Mila fiomanana araka izany ny fiavian'ny loza. _
Noho ny rivotra mahery, entanina ny isan-tokantrano mba hanapaka ireo hazo mety hianjera. Manangona sakafo sy rano fisotro madio. Araho tsy tapaka ny vaovao amin'ny aterineto sy amin'ny onjam-peo.