Cyclone Madagasikara 2023 : Nomena ny anarana hoe "CHENESO" ilay andro ratsy
Lasa rivodoza ary nomena ny anarana hoe CHENESO tamin’ny 12 ora atoandro teo ilay andro ratsy niforona tao amin’ny Ranomasimbe Indiana.
Araka ny efa voalaza, tombanana hiditra an-tanety rahampitso Alakamisy eo anelanelan’i Vohémar sy Cap Est i CHENESO ka mety hitondra tafiotra manodidina ny 100 ka hatramin’ny 120 Km/ora.
Mety hiteraka fahasimban’ny toeram-ponenana sy ireo fotodrafitr’asa marefo araka izany ity rivodoza ity indrindra any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo.
Filazana miloko mavo na filazana loza manambana: Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana;
Filazana miloko maitso na filazana fanairana: Alaotra Mangoro sy Sofia.
Ahiana mafy ny rotsakorana betsaka izay mety hitarika tondra-drano ho an’ireo faritra marefo sy mora tondraka. Mety hiitatra any Boeny sy ny afovoan-tany izany rotsakorana izany hatramin’ny Alahady.
Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Mahanoro mba tsy hiandriaka intsony.