Rivodoza 2023 : Hiditra an-tanety rahampitso ilay andro ratsy
Tombanana hiditra an-tanety rahampitso Alakamisy eo anelanelan’ny Vohémar sy Cap Est ilay andro ratsy ka mety hitondra tafiotra manodidina ny 100 ka hatrain’ny 120 Km/ora.
Nitombo hery ka lasa Dépession Tropicale ilay andro ratsy niforona ao amin’ny ranomasimbe Indiana. Nikisaka niakandrefana izy tato anatin’ny 06 ora farany ka nahafaka 28 Km/ora.
Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 485 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny. Niakatra ho 55 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 75 Km/ora.
Noho izany dia miova ho toy izao ny filazana loza:
Filazana miloko mavo na filazana loza manambana: Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana;
Filazana miloko maitso na filazana fanairana: Alaotra Mangoro sy Sofia.
Ahiana mafy ny rotsakorana betsaka izay mety hitarika tondra-drano ho an’ireo faritra marefo sy mora tondraka. Mety hiitatra any Boeny sy ny afovoan-tany izany rotsakorana izany hatramin’ny Alahady.
Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Mahanoro mba tsy hiandriaka intsony.