Cyclone 2023 : Vao andro ratsy manambana dia efa dibo-drano Andapa
Tojo fahasahiranana ny faritr'i SAVA. Tondraky ny rano ny ao Andapa-ville noho ny rotsak'orana mafy sady nisesy. Araka ny nambaran'ny mponina any an-toerana, efa miha-malefaka ny orana. Antenaina amin'izany fa hihena ireo rano mameno ny tanàna.
Fiakaran'ny renirano
Voalaza fa noho ny fiakaran'ny renirano miisa telo no nahatonga izao ranobe miditra an-trano izao. Sahirana ireo manana trano tsy misy rihana satria voatery mihanika eny ambony fanaka lehibe. Manano sarotra ihany koa ny fifamezivezena.
_Marihina moa, raha ny anio, tsy nianatra ireo mpianatra. Manahy ny iakaran'ny vidin'entana any an-toerana ny mponina. Saika nahazo trano sy fitehirizan'entana maro mantsy ny rano. _
Andrasana ny fivoaran'ny toetr'andro. Mbola tsy misy kosa hatreto ny fanambaran'ireo tompon'andraikitra mikasika ny traboina sy ny tomban'ny fananana very.