• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gouvernorat De Bongolava
Image
Vaovao

Tranoben’ny varotra ao Bongolava : Nandray ny asany ny filoha vaovao

16/01/2023 10:04 © Midi Madagasikara

Natao ny zoma 13 janoary teo ny famindram-pahefana tamin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao Razafinirivo Dera eo anivon’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria.

Araka ny fanamby napetraky ny filoha vaovao dia vonona tanteraka ny tenany hitondra fampandrosoana ao anatin’izany andraikitra sahaniny izany.

Tonga nanolotra tsodrano ho amin’izay andraikitra sahaniny izay ihany koa ny jeneraly Ramiaramanana Joseph, izay governoran’ny faritra Bongolava ary nilaza ampahibehimaso ny fifanomezan-tanana ho an’ireo izay vonona hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra. Marihina fa efa nitantana izany tranoben’ny Varotra sy Indostria izany izy ary anisan’ny nahitam-bokatra tokoa, satria nanana ny traikefa nahafahana nitady fiaraha-miasa tany ivelany amin’ireo vokatra misy ato anatin’ny faritra Bongolava. Koa antenaina ny fampandrosoana hoentiny ao anatin’izao fotoana andraisany ny andraikitra izao. Azo inoana ihany koa fa hanao izay ho afany ny filoha vaovao, satria ilaina ny fampandrosoana sy fanatanterahana ny asa faran’izay haingana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires