• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Rocade : Mpanao baolina maty voafaokan’ny 4X4

12/01/2023 10:11 © Midi Madagasikara

Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana, teo amin’ny lalam-baovao Rocade izay tsy mifanalavitra intsony ny By-Pass.

Tovolahy roa izay nandeha kodiaran-droa no nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana iray. Mafy ny fifandonana ary naratra mafy izy roa lahy. Ny alin’iny ihany dia namoy ny ainy ny iray voalohany ary ilay namany kosa dia mbola notsaboina noho ny ratra mafy nahazo azy. Iny alina iny ihany dia fantatra avy amin’ny fizaràna teo amin’ny tambajotra sosialy fa tanora vao erotrerony, mpilalao baolina amin’ny sokajy latsaky ny roapolo taona eo anivon’ny klioba Jet Mada ilay namoy aina. Omaly dia efa nitsapa alahelo mivantana na tamin’ny tambajotra sosialy ny tapaka sy namana ary indrindra koa ny tontolon’ny kitra. Tao anatin’izany koa anefa no nisy fanahiana izay napetraky ny fianakavian’ny maty ary nampitainy tamin’ny tambajotra sosialy. Tsy inona izany fa mahakasika ny fidirana an-tsehatry ny manamboninahitra iray tao anatin’ny raharaha. Nangataka avy hatrany ny fianakaviana ny mba handehanan’ny fitsaràna araka ny tokony ho izy.

“Tany tandalana i Madagasikara, ka manantena izahay ny hisian’ny fitsarana madio sy mangarahara amin’ity raharaha ity”, hoy izy ireo nametraka ny ahiahiny sy ny faniriany. Raha nanontaniana ny zandary miadidy iny toerana iny dia nanazava fa izy ireo koa dia tamin’ny tambajotra sosialy no nahafantatra ny zava-nitranga. Nilaza fa nidina ifotony saingy efa tsy nisy na inona na inona intsony teo ka dia izay hitan’ny maso no nanaovana tatitra. Ny polisy misahana ny momba ny lozam-pifamoivoizana etsy Tsaralalàna indray dia nilaza fa tsy anjaran’izy ireo intsony iny faritra iny. Ny roa tonta dia samy nilaza fa tsy mbola naharay taratasy fitarainana ary mihevitra fa aorian’ny fandevenana, toa ny fahita matetika ihany, vao mety ho tafapetraka izany ary izay no hanombohan’ny fanadihadiana. Raha ireo nanontaniana dia samy nilaza fa tsy nisy olona notazomina aloha hatreto momba ity raharaha ity. Ny fianakaviana dia nangataka hatrany ny mba hisehoan’ny marina sy ny handehanan’ny fitsaràna araka ny tokony ho izy. Etsy andanin’izany dia feno alahelo ny mpitia kitra, indrindra ireo izay miandrandra ny fiakaran’ny tanora izay manan-talenta ny amin’ny fahalasàn’ny roa tamin’izy ireo tao anatin’ny andro vitsy.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires