• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal_Des_Femmes_Santé
Image
Vaovao

Ady amin’ny pesta : Ireo tsara ho fantatra

11/01/2023 17:12 © Moov.Mg

Indreto zaraina aminao ireo tsara ho fantatra mahakasika ny pesta

Tafiditra tanteraka anaty ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta isika rehefa anelanelan’ny volana aogositra sy aprily toa izao, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Maro noho izany ireo ezaka sy tetik’asa tanterahin’ny ministera, izay mifototra amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny malagasy ny mikasika ity areti-mandoza ity.

Ny pesta amin’ny ankapobeny

Ny pesta dia aretim-boalavo mifindra tsy nahy amin’ny olombelona amin’ny alàlan’ny kaikitry ny parasy. Rehefa ho faty ny voalavo dia miala aminy ny parasy ary miakatra an-tanàna ary manaikitra ny olona.
Fantaro fa misy karazany roa ny pesta. Misy ny pesta atoditarimo izay miseho amin’ny alàlan’ny fiforonan’ny atoditarimo eo amin’ny foto-pe, eo amin’ny helika, na eo amin’ny foto-tenda. Miseho amin’ny alàlan’ny fanavina miampy arerahana ihany koa ity karazana pesta voaloha ity.
Misy ihany koa ny pesta aretitratra, izay vokatry ny pesta atoditarimo tsy voatsabo. Sarotra fehezina ity karazana pesta faharoa ity satria mifindra amin’ny olona samy olona amin’ny alàlan’ny piti-drora sy ny fofon’aina. Mora miparitaka izy araka izany. Ireto avy ireo soritr’aretina amantarana ny pesta aretitratra :

Fanaviana

Kohoka latsaky ny herin’andro

Marary ny tratra

Kohoka misy piti-drà

Fahaseporana

Azo tsaboina tsara sy sorohina anefa ny pesta. Ilaina hatrany ny fahamalinana mba tsy hiombo ny aretina ka hiteraka fahafatesana. Raha misy trangan’aretina mampiahiahy dia manatona tobi-pahasalamana avy hatrany.

Azo sorohina

Araky ny voalaza tetsy ambony dia aretina azo sitranina tsara ny pesta, ary afaka sorohana ihany koa. Izany indrindra no anton’izao fanentanana entin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izao mba ahafantaran’ny rehetra ny fihetsika tokony hananana manoloana ity areti-mandoza ity.
Ny paik’ady voaloha dia ny famongorana ny voalavo sy ny parasy ary ny fitazomana azy ireo hijanona alavitry ny tanàna. Azo atao arak’izany ny mamboly ireo karazan-java-maniry tsy tian’ny voalavo toa ny dingadingana sy ny ravitseva. Azo atao ihany koa ny misambobelona ireo voalavo amin’ny alàlan’ny fampiasana vovo. Izany dia mba hialana amin’ny fiparitahan’ny parasy. Manampy amin’ny fanalavirana ny voalavo ihany koa ny ady amin’ny doro-tanety.
Ny paik’ady faharoa dia ny fanatonana avy hatrany ny tobim-pahasalamana fototra na izay akaiky anao indrindra raha sanatria mitranga aminao ireo soritr’aretina ireo. Efa misy ankehitriny ny fanafody mahomby itsaboana ny pesta. Aza miandry ora farany vao mitsabo mba tsy hiombon’ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires