• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actualitté
Image
Vaovao

Moov Olombanona : Andeha hiara-hientana tsy hanjifa intsony ireo vokatra hosoka

10/01/2023 15:12 © Moov.Mg

Malaza ankehitriny ny fivarotana boky PDF amin'ny vidiny mora amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy Facebook. Maro karazana tokoa ireo boky amidy amin'izany : fianarana, tantaram-pitiavana, fandrahoana sakafo, sns. Tandremo nefa, fa mety hampigadra hatramin'ny roa taona an-tranomaizina, ny fivarotana sy fanjifana vokatra hosoka na "copie".

Fadio ireo boky malagasy hosoka

"Tsy mora ny manoratra fa tena mandany rondoha tokoa", hoy ny tale jeneralin'ny tranom-pamokarana boky Le Lauréat Ratsimaholy, Fafy Ratsimaholizanany. Maro ireo mpanoratra sy trano famokarana boky no maty antoka hatrany amin'ny 70%. Lafo dia lafo tokoa mantsy ny fikarakarana rehetra atao vao mahatonta boky iray. Manoloana izany indrindra, mba ho fitsinjovana ny mpanoratra malagasy sy hitondrana amin'ny lala-mahitsy ireo taranaka, tsara raha vokatra atolotry ny trano famokarana manana alalana ara-dalàna ihany no jifaina.
Vao tsy ela akory, mpanao hosoka ireo bokin'ny Editions Le Lauréat no tra-tehaka. Sazy mihatra an-tranomaizina mandritra ny enim-bolana no azony. Mandoa lamandy 1.000.000 ar sy honotra 10.000.000 ar ihany koa io voaheloka io.

Editions Les Lauréats, boky vaovao ho an'ireo ankizy tsy manala fanadinana

Anisan'ny tena nahafantarana ny Editions Le Lauréat Ratsimaholy teto Madagasikara ny famokarana boky ho an'ireo mpianatra hanala fanadinana CEPE, BEPC ary BAC. Ankehitriny kosa, miha-mivoatra hatrany ny talentan'ireo mpanoratra. Hisitraka boky mikasika ny matematika, siansa, frantsay ary malagasy ireo mpianatra 6è, 5è, 4è, seconde sy première.
Ireo kilonga vao mianatra ihany koa dia manana ny anjarany. Manana boky fizarana mandoko (coloriage) ny Editions Le Lauréat. Misy karazany 4 izany : voankazo, legioma, biby fiompy ary bibidia.

Lire la suite

Articles Similaires