• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Hain-trano goavana tao Fenoarivo Atsinanana : Tonga nankahery ireo tra-boina ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo

10/01/2023 08:32 © Midi Madagasikara

Vao niandoha ny taona dia loza nahatsiravina no nitranga tao amin’ny kaominina Antsiatsiaka, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana.

Saika tanana iray manontolo no indray kilan’ny afo, tao Ambatoharanana, fokontany Antanandava. Trano niisa teo amin’ny 96 tafo teo no indray levona, hoy ny fampitam-baovao azo, ary nahatratra hatrany amin’ny 200 isa tany ho any ireo traboina vokatr’izany loza izany.

Teo anatrehan’ny zava-nisy dia tsy nitazam-potsiny ny fitondram-panjakana. Nidina ifotony, nijery ny zava-nisy ary indrindra indrindra nitondra ny voin-kava mahatratra sy fankaherezana ho an’ireto olona tsy manan-kialofana ireto. Tsy niandry ela ny mpitondra mahefa avy ato amin’ny faritra Analanjirofo, izay notarihin’i Dr Marcellin Randriamanantena, Governoran’ny faritra Analanjirofo sy ireo manam-pahefana tany an-toerana fa tonga nidodododo, tonga nankahery ireo niharam-boina ireto. « Tsy tonga an-tanam-polo anefa fa nitondra ny voatsirambin’ny tananan’izy ireo, ho fanampiana ireto tsy manan-kialofana ireto », hoy ny fanazavana azo. « Vary 36 gony, siramamy 4 gony, bodofotsy 96 isa, menaka 96 litatra, savony, labozia, kojakojan-dakozia, miampy lelavola ho fanampiana azy ireo ».

Na dia ao anatin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana aza dia somary lavitra dia lavitra no misy ity tanana nolevonin’ny afo ity. Tsy nahasakana velively ireto manampahefana, fa indrindra ny Goverinoran’ny faritra, izay ny tenany mihitsy no nidina ifotony, izany hadezaky ny lalana izany. « Tsy natao ho fokontany lavitra andriana Ambatoharanana Antanadava, na dia lavitra aza no misy azy, fa mijery sy mihaino azy ireo hatrany ny mpitondra » hoy izy. Nisy moa ny toromarika nomeny, mba hisorohana ny loza tahak’izao ary ny mba tsy hiverenany intsony.

Nangonin’i m.L

Lire la suite

Articles Similaires