• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Lalana Ambalamanasy : Mitaraina amin’ny fandehanana mafy ataon’ireo fiara vaventy ny mponina…

09/01/2023 09:04 © Midi Madagasikara

Velon-taraina ireo mponina manodidina ny lalana ao Ambalamanasy, fa misy fiarabe manao asa fitaterana fasika sy vato manimba ny lalana sady tsy mahay mandeha mora mihitsy. Tena mampatahotra anay ny lalana Ambalamanasy mampifandray amin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy iny.

Ny tena olana mantsy, na eo aza ny fahapotehan’ny lalana nataon’ireo fiara vaventy mitatitra fasika sy vato ireto, dia tsy mahasakana azy ireo mba handeha mora izany fa ny mirimorimo hatrany no ataon’izy ireo. Ny tena mampirehareha ireo mpamily ao anatin’izay dia ilay fasika sy vato taterina hoe haovana ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ka tena ampiasaina io fahefana kely hanany io amin’ny fandehanana mafy.

Ny fiandohan’ny volana desambra 2022 lasa teo izao, vokatr’ilay fandehanana mafy nefa ny lalana efa simba sahady, dia rangahy iray manao ny asany manaraka ilay lalana Ambalamanasy iny no nofaohin’ny fiara mpitatitra fasika sy vato io, ka potika ny tongony roa, ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly be hatramin’izao noho ny hamafin’ny fahavoazana nitranga taminy. « Tsy manakana ny velontenan’olona izahay », hoy ireo vahoaka manodidina ity lalana ity, « fa tokony hitondra soso-kevitra mba hoentina miala amin’izao loza ateraky ny fandehanana mafy izao ». Anisan’ny soso-kevitra naroson’ny vahoaka ny fametrahana ireny karazana “casseur de vitesse” ireny. Eo koa ny tokony hiasan’ny fandraisana andraikitry ny biraon’ny zandary ao Ambalamanasy “carreau II”. Mazana mantsy dia mitazam-potsiny ireo zandary, hoy ny mponina, amin’ny fandehanana mafy ataon’ireo fiara vaventy mitatitra fasika sy vato amin’iny faritra iny ireto. Miantso fandraisana andraikitra ataon’ireo tompon’andraiki-panjakana amin’izao raharaha izao ny mponina, fa tsy hiandry faty olona mikararana indray vao mody samy mikoropaka.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires