• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lesoleil
Image
Vaovao

Tandrovy ny fahasalamana : Mila vola ny fitsaboana na eny amin'ny hopitalim-panjakana aza

09/01/2023 06:21 © Moov.Mg

Maro no diso hevitra mikasika ireo tolotra eny amin'ny tobim-pahasalamana na hopitalim-panjakana. Ny fizahana ihany mantsy matetika no maimaim-poana fa ny fanafody sy ny fitaovana ilaina amin'ny marary dia vidiana avokoa.

Ny ory tsy havan'ny manana

Vao tsy ela akory, niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera ny sary nampitaha ny marary nentin'ny havany an-tongotra sy marary hafa nentina tamin'ny fiara tsy mataho-dalana. Ity farany no voakarakara soa aman-tsara satria azo antoka fa manana fahefa-mividy hiantoka ireo fanadofin'ny marary rehetra ny mpanaraka. Raha tafiditra ao amin'ny sampana vonjy aina (urgences) ianao ka tsy misy mpanaraka afaka hiantoka dia mety hanano sarotra ny famonjena ny aina. Tsy mahamenatra ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy tokoa mantsy no mamela ireo marary tsy manam-bola, satria na dia ny alikaola sy fitaovana famehezana ratra aza dia vidiana avokoa.
Hatreto aloha, natao ho an'ireo manana ny ampy ny fitsaboana eto Madagasikara. Marobe ireo marary any amin'ny hopitaly no alefa mody fotsiny na tsy sitrana aza noho ny tsy fahampian'ny hoenti-manana.

Mivonona amin'ny vola enti-mitsabo raha te ho sitrana

Noho ny fahantrana, vitsy amin'ny Malagasy no manana fiantohana ara-pahasalamana, indrindra moa fa ho an'ireo miasa tena. Tsara anefa ny manokana tahiry kely entina hitsaboana marary raha tojo tsy fahasalamana ny vady na ny zanaka ao an-tokatrano.
Ho an'ny hopitalim-panjakana fiterahana iray eto an-drenivohitra izao, soratan'ny mpampivelona na ny mpitsabo avokoa ny fanafody sy fitaovana rehetra ilaina aloha vao afaka mamonjy ny marary izy ireo. Mihazakazaka ny fianakavian'ny marary mividy izany ao amin'ny farmasia. Raha sanatria tsy ampy ny eo an-tanana dia mety hamoy ny ainy na ny reny hiteraka na ny zaza ao am-bohoka. Misy araka izany ireo mitrosa na mivaro-pananana : mamorona ny tsy misy.

Inona kosa ireo fanafody azo maimaim-poana ?

Ireo vakisiny samihafa dia azo lazaina fa maimaim-poana avokoa. Ho an'ireo manan-janaka kely ohatra, azo atao ny manantona CSB II mba ahazoana ny vakisiny ho an'ny zazakely vao teraka hatramin'ny 15 volana. Misy ihany koa ny vakisiny ho an'ny reny bevohoka. Ho an'ny renim-pianakaviana, ampahatsiahivina hatrany fa tsy andoavam-bola ny fanabeazana aizana.
Rehefa misy ny valan'aretina, omen'ny fanjakana maimaim-poana ireo fiarovana ahafahan'ny besinimaro miatrika izany. Isan'izany ohatra ny vakisiny fanefitry ny Covid-19.

Lire la suite

Articles Similaires