• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Namontana : Lehilahy voambana antsy, lasa ny roa tapitrisa ariary

07/01/2023 08:13 © Midi Madagasikara

Nodidinin’ireo tontakely ity rangahy ity nony tonga tamin’ny toerana takotakona, rehefa avy narahan’izy ireo efa elaela ihany ary nalatsany am-povoany nony avy eo.

Lehilahy iray tokony ho 55 taona no lasibatry ny mpanendaka indray tetsy Namontana, Anosibe ny alakamisy lasa teo. Ankevitry ny efa fantampantatr’ireto olon-dratsy ity lehilahy ity fa mitondra volabe any aminy, ka narahan’izy ireo tsimoramora avy ato aoriana. Bandy efa-dahy izy ireo, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, ary samy nitondra zava-maranitra, tany aminy. Nezahin’ireto olon-dratsy narahana foana, ary nony lasa lavidavitra dia nodidinin’izy ireo amin’izay. Natao latsaka am-povoany ary nanatonan’izy ireo tsimoramora.

« Ny sasany nibahana ny lalany, ny sasany nanambana amin’ny antsy ary ny sasany naka ny zavatra sy ny vola teny aminy » araka ny vaovao hatrany. Sendra ny tsy nampoizina sy ny be noho ny vitsy rahateo moa ilay rangahy ka tsy afa-nanoatra firy. Etsy andanin’izay, nangirana izay tsy izy ny lela antsy, nanambana ny hiletra eny amin’ny vatany. Hany heriny dia nanaiky izay nolazain’ireto mpanafika azy. « Lasan’izy ireo nandritra izany ny vola mitentina 2.000.000 Ariary »

Na dia noezahin’ireto mpanendaka tsy hisy hahita aza ny zava-dratsy nataony dia tsy izay ny zavatra niseho, satria dia nisy nahatsikaritra ny fomba fiadin’izy efa-dahy. Ireo nahatsikaritra no nampandre avy hatrany ny pôlisy. Vao nahazo ny vaovao ireo pôlisin’ny CUI3 (compagnie urbaine d’intervention), avy eo anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna, dia nidina avy hatrany teny an-toerana ary nanao izay fomba hanjehana ireto olon-dratsy. « Tonga ara-potoana ireo mpitandro ny filaminana ka tra-tehaka ny iray tamin’ireo tonta kely raha tafatsoaka ny namany hafa ». Niezaka nanenjika ihany moa ireto mpitandro filaminana saingy tafaporitsaka tamin’ireo elakelan-trano marobe teny an-toerana ireo tontakely. Natolotra ny SUT Tsaralalàna hanohizana ny fanadihadiana moa ilay voasambotra, izay marihana fa mbola tovolahy manodidina ny 20 taona teo ho eo. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany teny an-toerana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires