• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madarail
Image
Vaovao

Manjakandriana : Ankizivavy nizara telo, voahosin’ny lamasinina

07/01/2023 08:02 © Midi Madagasikara

Hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva, mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly Manjakandriana ity ankizivavy kely 10 taona, voahitsaky ny fiaran-dalam-by teny an-toerana. Tapaka nizara telo tanteraka ny vatany.

Loza mahatsiravina no nitranga teo Fiadanana, Manjakandriana, omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Ankizivavy iray mponina eny an-toerana, raha iny nanaraka ny sisin’arabe iny, no nianjera tany amin’ny faritra nisy ny lalam-by. Tamin’izay fotoana izay indrindra ihany koa anefa no nisy lamasinina nandalo, handeha hihazo an’Antananarivo. Avy hatrany dia tany ambany ny kodiaram-by ilay zaza no niantefa. Voatetin’ny kodiarana ny vatany ary tapaka nizara roa, teo amin’ny maojany.

Nipitika niala ny vatany mihitsy araka izany ny tongony anankiroa. Araka ny angom-baovao azo dia voalaza fa somary niala fiarabe iray somary nanara-tsisiny loatra ary namantana tany aminy ity ankizy ity. Izay toe-javatra izay no nahatonga azy nianjera tany amin’ny faritry ny lalam-by. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly moa ity farany. Efa teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy kosa ireo mpitandro filaminana. Sahanin’ny pôlisin’ny gara kosa ny fanadihadiana mahakasika ity loza nitranga ity.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires