• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Tsimafana – Belo Tsiribihina : Nakotroka ny fandraisan’ny Ben’ny tanana avy nivoaka ny fonja

05/01/2023 08:34 © Midi Madagasikara

Herintaona mahery teo ho eo no voatazona am-ponja i Tale Haky na i Haky Tsimidary, Ben’ny tananan’i kaominina Tsimafana, distrikan’i Belo Tsiribihina. Nivoaka anefa ny didy, afaka madiodio tamin’ny raharaha nahavoarohirohy azy ny lehilahy ary nivoaka ny fonja soa aman-tsara. Ny faha-28 desambra lasa teo ny tenany no namonjy ny tany niaviany, raha mbola nanaraka fitsaboana teo an-drenivohitra aloha.

Hafaliana tanteraka ny an’ireo vahoaka tao Tsimafana tamin’io fotoana io. Nisy mihitsy ny fanolorana omby efatra avy tamin’ireo vahoaka, hiarahana hifaly amin’izao. Mbola nanolotra vola ho an’ity olom-boafidy ity ihany koa izy ireo, izay toe-javatra tsy mbola fahita mihitsy aloha hatramin’izay, saingy nataon’izy ireo izany ho marik’izay fitiavan’izy ireo an’izany lehilahy izany. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka moa Atoa Tale Haky raha nandray fitenenana. Naneho fahavononana ihany koa ny tenany amin’ny fampivoarMarihana fa tonga nitsena ity mahery fon’i Tsimafana ity ny ben’ny tananan’i Belo Tsiribihy, nisolo tena ireo namany. Firaisan-kinan’ny samy ben’ny tanana no sady endriky ny fanohanana sy fiaraha-miasa sahady eo amin’izy ireo.

Fampisehoana goavana moa no namaranana ity lanonana fandraisana an’i Tale Haky ity, narahina fizarana fanomezana ho an’ireo ankizy madinika an' izany kaominina izany. Tsy hadinony ny nanao antso avo tamin’Atoa Filoham-pirenena, ny amin’ny mba tokony hijerena manokana ny lafin’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra Menabe iny, izay tena mampijaly ny mponina. Tetsy andanin’izay, nilaza ny tenany fa vonona ny hiara-hiasa sy ny hanohana ny fitondram-panjakana ankehitriny

Marihana fa tonga nitsena ity mahery fon’i Tsimafana ity ny ben’ny tananan’i Belo Tsiribihy, nisolo tena ireo namany. Firaisan-kinan’ny samy ben’ny tanana no sady endriky ny fanohanana sy fiaraha-miasa sahady eo amin’izy ireo.

Fampisehoana goavana moa no namaranana ity lanonana fandraisana an’i Tale Haky ity, narahina fizarana fanomezana ho an’ireo ankizy madinika

Lire la suite

Articles Similaires