• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Look_Gasy_Aventures
Image
Vaovao

Mananjary : Zandary roa no voatsindron’antsy

03/01/2023 18:09 © Moov.Mg

Savorovoro : Lehilahy iray no nanindrona antsy ka nandratra zandary roa tao Mananjary.

Nisehona trangana tsy fahandriam-pahalemana indray tao Mananjary. Lehilahy iray tokony ho 40 taona no nanindrona antsy zandary roa rehefa avy nilaza fa mikasa hamono hahafaty ireo namany niaraka nilalao karatra taminy.
Nahatsikaritra ny fihetsik’ity farany ireto zandary ka tsy naharitra fa niditra an-tsehatra ary nikasa ny handamina ny savorovoro izay nisy teo amin’ireto olo-tsotra. Tampoka toa izay anefa dia notsindromi’ity lehilahy ny antsy ireto mpitandro ny filaminana roa lahy. Ny iray voa teo amin’ny lohany ka tsy nahatsiaro tena, ary mbola ahiana ny ainy. Ny faharoa kosa votsindrona teo amin’ny tanany.
Vao nahare ny savorovo ny teo anivon’ny zandary dia nidina faingana teny an-toerana ary nisambotra ity lehilahy nandratra zandary. Nikasa ny hitsaoka anefa ity izy rehefa nampidirina tao anaty fiara ka nisy ny fitifirana azy. Naratra mafy izy ary nentina teny amin’ny hopitaly Sainte-Anne ao Marovay, saingy tsy voatana ny ainy.

Lire la suite

Articles Similaires