• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsidika.Mg
Image
Vaovao

Ambohimanga : Tsipahan’ny Lalàm-panorenana ny fifanitsahana sy ny fifampitsabahana

03/01/2023 11:01 © Moov.Mg

Doany Ambohimanga Rova : Mitsipaka ny fifanitsahana sy ny fifampitsabahana ny Lalàm-panorenana.

Tany Laïka i Madagasikara. Izany no nampahatsiahivin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolotsaina manoloana ny tranga niseho ny 29 desambra lasa teo tetsy Ambohimanga Rova.
Raha tsiahivina dia tonga teny amin’ny manodidina ny faritry ny Ambohimanga Rova ireo mpikambana ao amin’ny Tobim-pifohazana ary nomarihin’izy ireo tamin’ny diabem-panafahana izany fotoana izany. Notetezin’izy ireo ny doany tetsy Ambatondradama, Mangabe ary Ankazomalaza izay tafiditra ao anatin’ny « zone tampon » izay mila fankatoavana ny fidirana sy ny fanaovana fomba ao anatiny. Maro ireo olona nahita izany ka tsy nankasitra, ary nitarika resa-be teny amin’ny fiarahamonina sy ny aterineto.
Tsy mandrara ny fireham-pinoana samihafa anefa ny lalàm-panorenana fa miantso ny besinimaro kosa mba hifanaja sy hifandefitra. Lavina noho izany ny fifanitsahana na ny fifampitsabahana eo amin’ny samy finoana hoy hatrany ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolotsaina. Ary ampahatsiahivina ihany koa fa izany fifanajana izany dia antoky ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires